Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Milefitra amin'ny fanofanany.

Daty
Alarobia 05 March 2025

"Tandremo fandrao (...) ho lavo hiala amin’izay iorenanareo; fa mitomboa amin 'ny fahasoavana sy ny fahalalana an Jesôsy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy." - 2 Pet. 3:17,18.

Mofon’aina:
Misy olona te hahazo fanapahana ka mila ny fanamasinan'ny fileferana. Mitondra fiovana eo amin'ny fiainan' izy ireny Andriamanitra, ary angamba aza mametraka azy eo anoloan'ny adidy izay tsy araka ny safidiny. Raha manaiky ny hotarihiny lalana izy ireo, dia homeny fahasoavana sy hery hanaovany asa sarotra ao anatin'ny toe-tsain'ny fileferana sy ny fahatokiana. Hofanina izy ireo mba hitana toerana hahafahany manao fanompoana lehibe indrindra amin'ny alalan'ny fahafaha-manao voafehy tsara.

Manofana ny olona sasany Andriamanitra ka manisy fahadisoam-panantenana sy toa tsy fahombiazana eo amin'ny lalany. Fikasany ny hianaran'izy ireo misetra zava-tsarotra. Mampianatra azy ireo Izy mba hanana fahavononana hamadika ny toe-javatra izay toa tsy mahomby ho fahombiazana.

Matetika ny lehilahy sy ny vehivavy no mivavaka amin-dranomaso noho ireo toe-java-tsarotra sy olana manoloana azy. Kanefa raha hazoniny hatramin'ny farany ny fitokiana nananany hatrany am-boalohany dia hohazavainy ny lalan'izy ireo. Ho tonga aminy ny fahombiazana rehefa mitolona mafy mba hihoatra ny zava-tsarotra toa tsy ho resy izy; ary hitondra fifaliana lehibe izany fahombiazana izany.

Maro no tsy mahalala ny fomba fiasa tokony hanatanterahana ny asan' Andriamanitra, tsy noho izy ireo tsy afa-mianatra, fa noho ny tsy fetezany hilefitra amin'ny dingam-panofanan'Andriamanitra. Voalaza fa tsy nahomby teo amin'ny lafiny ara-panahy i Moaba satria hoy i Jehôvah: "nandry fahizay hatry ny fony izy mbola kely (...) tsy naidina nafindrafindra siny, koa izany no aharetan'ny tsirony ao aminy sy tsy iovan'ny fofony." - Jer. 48:11.

Tokony hiomana ho amin'ny fanatanterahana ny asa izay mampiseho fahalemem-panahy, fandeferana, fahari-po, fahatsorana ary faharetana ny Kristianina. Tokony ho hita ao amin'ny fitsipi-pifehezan'ny Kristianina ny fikolokoloana ireo fanomezana sarobidy ireo, ka rehefa antsoina ho amin'ny fanompoana ny Tompo izy ireo, dia ho vonona hampiasa ny herim-pony sy ny herin-tsainy amin'ny fanampiana ireo efa ho faty [ireo izay mila famonjena] sy ny fitondrana fitahiana ho azy ireny. - MR 8:423, 424.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal