Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fotoana tokony hiasana mafy

Daty
Alakamisy 13 March 2025

"Ary tokony hanao izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin'ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin'ny andro vao ninoantsika." - Rôm. 13:11.

Mofon’aina:
Misy sokajin'olona (…) izay ho tojo fatiantoka noho ny fahalainany sy ny fandaniany ny heriny amin'ny fanaovana izay mahafinaritra azy, amin'ny firesahana sy ny famelana ny hozany hitomoe-poana fa tsy hiasa. (...) Hahavita be tokoa izy ireo raha toa mampiasa ny fotoany sy ny heriny amin'ny fanangonana harena hametrahana ny zanany amin'ny toerana tsara hahazoan'izy ireo fahalalana; aleony anefa mamela ny zanany hitombo ao anatin'ny tsy fahalalana toy izay hampiasa ny fahafaha-manao nomen'Andriamanitra azy (...). Lanjaina eo amin'ny mizanan'ny fitoerana masina any an-danitra ny lehilahy sy vehivavy toa izany ary hita fa latsa-danja.

 Misy asa tokony hataon'ny tsirairay eto amin'ity tontolontsika ity. Ho avy ny Tompo, ary tsy tokony holanina amin'ny fidonanaham-poana ny fiandrasantsika, fa amin'ny asa feno fahazotoana. Tsy natao holanina manontolo amin'ny fandinihan-tena amim-pivavahana ny fotoantsika, nefa koa tsy natao hihazakazaka sy hiasa toy ny hoe miezaka hahazo ny lanitra amin'izany isika ka hanao tsirambina ny fanokanana fotoana hikoloana ny fitiavam-bavaka manokana. Tsy maintsy atambatra ny fandinihan-tena sy ny asa feno fahazotoana. Izao no ambaran'Andriamanitra ao amin'ny Teniny: "aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo." - Rôm. 12:11. Aoka tsy hanakona ny fanompoana ny Tompo ny asa aman-draharahan'izao fiainana izao. Ilain'ny fanahy ireo haren'ny fahasoavan'Andriamanitra, ary ny vatana kosa mila ampiasaina mba hahatanteraka ny asa tsy maintsy atao ho fanapariahana ny filazantsaran'i Kristy.

Manota amin'Andriamanitra isan'andro ireo izay mikolokolo ny toe-tsain'ny fitomoe-poana, satria tsy ampiasainy ny hery nomen'Andriamanitra azy mba hitondra fitahiana ho an'ny tenany sy ho an'ny fianakaviany. Tokony hampianarin'ny ray aman-dreny ny zanany ny fanirian'Andriamanitra ny hahatonga azy ireo ho mpiasa mazoto (...) ao amin'ny tanimboalobony. Tsy maintsy mampiasa ny fotoany amim-pahendrena izy ireo raha tiany ny ho mpiasa mahasoa sy mahavita tsara ny anjara asany ao amin'ny tanimboaloboky ny Tompo. Aoka izy ireo ho mpitantam-pananana mahatoky (...). - THM, Oktôbra 1894.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal