Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manan-danja sy mety mitombo ny talenta madinika

Daty
Alarobia 19 March 2025

  "Ny tenin'ny hendry dia toy ny fanindronan-omby sy toy ny hombo voatsatoka, ry mpanangona - omen'ny mpiandry iray izy." - Mpitt. 12:11.

Mofon’aina:
Aoka ny lehilahy sy vehivavy mpandraharaha hanao ny asany amin'ny fomba izay manome voninahitra ny Tompony amin'ny fahatokian'izy ireo. Aoka izy ireo hitondra ny fivavahany ao amin'ny zavatra rehetra ataony ary hampiseho ny toe-tsain'i Kristy (...). Aoka ny mpahaimilina ho olona mazoto sy mahatoky izay maneho an'Ilay niasa mafy raha nanao ireo adidy tsotra teo amin'ny fiainana andavanandro tao an-tanànan'i Jodia. Aoka izay rehetra mitondra ny anaran'i Kristy hiasa tahaka izany, mba hahitan'ny hafa ny asa tsara ataon'izy ireo ka hanomezany voninahitra ny Mpamorona sy ny Mpanavotra azy. "Ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an 'ny Tompo." - Kôl. 2:23. Aoka ho ao an-tsainao mandrakariva ny hampiorina ny fanjakan'i Kristy, ary aoka ny ezaka rehetra ataonao mba hifantoka amin'izany tanjona izany.

 Ireo izay nahazo fitahiana tamin'ny alalan'ny talenta ambony kokoa dia tsy tokony hanao tsinontsinona ny tombambidin'ny fanompoana ataon' ireo nomena talenta latsadatsaka kokoa noho ny azy. 
Avy amin'Andriamanitra ny talenta madinika indrindra nankinina tamin'ny olona iray. (...) Ny fikasana lalina, ny ezaka feno fandavan-tena, dia hitan' ilay Andriamanitry ny lanitra ary ekeny sy ankasitrahany. "Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin'ireny madinika ireny hianareo." - Mat. 18:10. Andriamanitra irery no mahay manombana ny lanjan'ny fanompoana ataon'izy ireny, Izy irery no mahita ny hery miasa mangina mahataka-davitr' ireo izay miasa ho voninahitr'Ilay Mpanao azy.

Tokony hampiasa ny fotoana fanararaotra omena antsika ho amin'ny tsara indrindra isika, ary hazoto hanolotra ny tenantsika ho an' Andriamanitra. (...) Aoka isika tsy hanamavo ny andron'ny zava-madinika fa hanararaotra ny fotoana sy ny talenta madinika, amin'ny alalan'ny fitandremana fatratra sy ny faharetana. H ampiasaintsika ireny fotoana sy talenta madinika ireny ho fampandrosoana ny fiainam-panahintsika, ary koa mba handrisika antsika hanao fanompoana tsara sy mahomby kokoa. - RH, 1 Mey 1888. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal