Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hankasitrahana izay mahatoky

Daty
Alahady 23 March 2025

  "Ary niaraka tamin'izay dia lasa ilay nandray ny talenta dimy, ka nataony varotra izany; ary nahazo tombony talenta dimy koa izy? Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony." - Mat. 25:16,17.

Mofon’aina:
Efa naloa ny sanda hanavotana ny zanakalahy sy ny zanakavavin'i Adama rehetra, ary ny tsy fetezan'ireo efa navotana tamin'ny ra sarobidin'i Kristy hitoetra ho mahatoky Aminy dia hahatonga azy ireo tsy ho voaro amin'ny fitsarana ho avy aminy amin'ny andro farany. Tsy maintsy hampamoahina ny amin'ny tsirambina nataony teo amin'ny fampiasana ny talenta nankinin'ny Tompo taminy izy ireo. (...)

 Mpiasa tompon'andraikitra maro no mandrafitra ny fianakaviamben'ny taranak' olombelona, hatramin' ireo ambony sy manan-talenta indrindra ka hatramin'ireo ambany sy tsotra indrindra; izy rehetra dia samy notolorana ireo fanomezan'ny lanitra. Fanomezana nankinin'Andriamanitra tamintsika ny fotoana ka tokony hampiasaina amim-pitandremana ho amin'ny fanompoana an'i Kristy. Fanomezan'Andriamanitra ny hery miasa mangina ka tokony hampiasaina ho fampandrosoana ny tanjona ambony sy manan-danja indrindra. Maty teo amin'ny hazo fijalian' i Kalvary i Kristy mba hahafahantsika mampiasa ny hery miasa mangina rehetra ananantsika ho fanandratana Azy eo anoloan'izao tontolo izao efa ho faty. (...)

Talenta avy amin'Andriamanitra ny faharanitan-tsaina. Ny firaisam-po sy ny fitiavana dia talenta natao harovana amim-pahamasinana sy hatsaraina, mba hahafahantsika manompo an'Ilay nividy antsika ho fananany.

An' Andriamanitra ny momba antsika sy izay mety ho toetsika rehetra. Tokony hampiasaina ho Azy ny fanabeazana sy ny fitsipi-pifehezana ary ny fahaiza-manao amin'ny lafin-javatra rehetra. (...) Na kely na be ny talenta nampiandraiketina, dia takin'ny Tompo ny hanomezan'ireo mpitantam-pananana ny tsara indrindra. Tsy ny habetsaky ny fananany nankinina na ny fampitomboana natao tamin'izany no mahatonga ny lehilahy sy ny vehivavy hankasitrahan'ny lanitra, fa ny fahatokiana (...) sy ny fanompoana natao tamim-pitiavana no mampirotsaka ny fitahian'Andriamanitra. "Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin 'ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin'ny fifalian'ny tomponao." - Mat. 25:23. Tsy any amin'ny tanànan'Andriamanitra isika vao hahazo izany valisoan'ny fifaliana izany, fa ny mpanompo mahatoky dia miaina izany sahady eto amin'ity fiainana ity. - ST, 23 Janoary 1893. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal