Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hankasitrahana izay mahatoky

Daty
Alahady 23 March 2025

  "Ary niaraka tamin'izay dia lasa ilay nandray ny talenta dimy, ka nataony varotra izany; ary nahazo tombony talenta dimy koa izy? Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony." - Mat. 25:16,17.

Mofon’aina:
Efa naloa ny sanda hanavotana ny zanakalahy sy ny zanakavavin'i Adama rehetra, ary ny tsy fetezan'ireo efa navotana tamin'ny ra sarobidin'i Kristy hitoetra ho mahatoky Aminy dia hahatonga azy ireo tsy ho voaro amin'ny fitsarana ho avy aminy amin'ny andro farany. Tsy maintsy hampamoahina ny amin'ny tsirambina nataony teo amin'ny fampiasana ny talenta nankinin'ny Tompo taminy izy ireo. (...)

 Mpiasa tompon'andraikitra maro no mandrafitra ny fianakaviamben'ny taranak' olombelona, hatramin' ireo ambony sy manan-talenta indrindra ka hatramin'ireo ambany sy tsotra indrindra; izy rehetra dia samy notolorana ireo fanomezan'ny lanitra. Fanomezana nankinin'Andriamanitra tamintsika ny fotoana ka tokony hampiasaina amim-pitandremana ho amin'ny fanompoana an'i Kristy. Fanomezan'Andriamanitra ny hery miasa mangina ka tokony hampiasaina ho fampandrosoana ny tanjona ambony sy manan-danja indrindra. Maty teo amin'ny hazo fijalian' i Kalvary i Kristy mba hahafahantsika mampiasa ny hery miasa mangina rehetra ananantsika ho fanandratana Azy eo anoloan'izao tontolo izao efa ho faty. (...)

Talenta avy amin'Andriamanitra ny faharanitan-tsaina. Ny firaisam-po sy ny fitiavana dia talenta natao harovana amim-pahamasinana sy hatsaraina, mba hahafahantsika manompo an'Ilay nividy antsika ho fananany.

An' Andriamanitra ny momba antsika sy izay mety ho toetsika rehetra. Tokony hampiasaina ho Azy ny fanabeazana sy ny fitsipi-pifehezana ary ny fahaiza-manao amin'ny lafin-javatra rehetra. (...) Na kely na be ny talenta nampiandraiketina, dia takin'ny Tompo ny hanomezan'ireo mpitantam-pananana ny tsara indrindra. Tsy ny habetsaky ny fananany nankinina na ny fampitomboana natao tamin'izany no mahatonga ny lehilahy sy ny vehivavy hankasitrahan'ny lanitra, fa ny fahatokiana (...) sy ny fanompoana natao tamim-pitiavana no mampirotsaka ny fitahian'Andriamanitra. "Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin 'ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin'ny fifalian'ny tomponao." - Mat. 25:23. Tsy any amin'ny tanànan'Andriamanitra isika vao hahazo izany valisoan'ny fifaliana izany, fa ny mpanompo mahatoky dia miaina izany sahady eto amin'ity fiainana ity. - ST, 23 Janoary 1893. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal