Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitoria amim-pahalemem-panahy

Daty
Alakamisy 27 March 2025

"Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana." — Efes. 4:29.

Mofon’aina:
Amin'ny maha-mpanaraka an'i Kristy antsika dia tokony hataontsika izay hahatonga ny tenintsika ho fifampianarana sy fifampaherezana eo amin'ny fiainana kristianina. (...) Tokony holazaintsika ny famindrampo sy ny halemem-panahy ombam-pitiavana nasehon'Andriamanitra tamintsika, sy ny halalin'ny fitiavan'ny Mpamonjy tsy hita lany ho antsika. Tokony ho tenim-piderana sy fisaorana ny fitenintsika. (...) Tsy ho sarotra amintsika ny hizara izay zavatra raiki-tampisaka ao amin'ny fiainantsika ara-panahy. Ny hevitra mavesa-danja, ny faniriana ambony, ny fahatsapana mazava ny fahamarinana, ny fikatsahana fiainam-pivavahana sy fahamarinana, dia samy hitondra vokatra ao amin'ny teny izay maneho ny toetry ny herin'ny fo. Rehefa aseho toy izany eo amin'ny fiteny i Kristy, dia hanan-kery izany fiteny izany ka hahazo fanahy ho Azy.

Tokony hilaza an'i Kristy amin'ireo izay tsy mahalala Azy isika. Na taiza na taiza nisy Azy, na tao amin'ny sinagôga, na teny amoron-dalana, na teny amin'ny sambokely nahantsona lavidavitry ny tany, (...) dia niteny tamin'ny olona ny amin'ny zavatra momba ny fiainana any ambony Izy. Ny lalàna mifehy ny zava-boary, ny toe-javatra nitranga teo amin'ny fiainana andavanandro dia nampifandraisiny tamin'ny tenin'ny fahamarinana. Ny fon'ny mpihaino Azy dia voasintona teo Aminy, satria efa nanasitrana ny marary sy nampionona ny malahelo Izy ary nandray ny zaza teo an-trotroany ka nitahy azy. Rehefa nanoka-bava hiteny Izy, dia nifantoka teo Aminy ny sain'izy ireny, ka ny teniny rehetra dia hanitry ny fiainana ho amin'ny fiainana ho an'ny fanahy.

Tokony ho toy izany koa amintsika. Na aiza na aiza misy antsika, dia tokony hanararaotra ny fotoana mety isika hilazana ny Mpamonjy amin'ny hafa. Raha manaraka ny ohatra nomen'i Kristy isika amin'ny fanaovana soa, dia hivoha ho antsika tahaka ny taminy koa ny fo. Tsy atao an-drezatra, fa amin'ny fahaizana avy amin'ny fitiavan'Andriamanitra, no hilazantsika Ilay «notsongaina tamin'ny alinalina» sy Ilay «mahate-ho-tia avokoa». Io no asa ambony indrindra azontsika ampiasana ny talentantsika eo amin'ny fitenenana. Nomena antsika izany mba hahazoantsika mampiseho an'i Kristy amin'ny maha-Mpamonjy mpamela heloka Azy. — HF, tt. 348,349.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal