Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Toetra ambony indrindra

Daty
Sabotsy 05 April 2025

"Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin'ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha amin'ny hareny." - Jer. 9:23.

Mofon’aina:
Andriamanitra no loharanon'ny fahendrena rehetra. Tapitra ohatra amin'ny fahendrena Izy, sady marina no tsara. Tsy takatry ny sain'ny hendry indrindra amin'ny olombelona (afa-tsy i Kristy) ny momba Azy. Mety hilaza ny tenany ho hendry izy ireo, mety hidera ny zava-bitany, saingy ny fahalalana ara-tsaina fotsiny, raha misaraka amin'ireo fahamarinan-dehibe izay i Kristy no ivony, dia tsinontsinona. (...) 

Raha afaka mahita indray mitopy maso izay tsy mety ho hitan'ny masony voafetra ny lehilahy sy ny vehivavy, raha afaka mahita ny Mandrakizay izy ireo, dia ho tampina ny vava mpirehareha rehetra. Olona voafetra no monina eto amin'ity tontolo bitika toy ny atôma ity; ary manana tontolo tsy tambo isaina izay mankatà ny lalàny sy manome voninahitra Azy Andriamanitra. Na dia lasa lavitra amin'ny fikarohana ara-tsiansa ataony aza ny olombelona araka izay tratry ny fahaizany voafetra, dia mbola misy fahalalana tsy manam-petra ankoatra izay azony takarina.

Tsy maintsy mahatsapa ny fian-kinany amin'Andriamanitra sy fenoina amin'ny fahendreny ny olombelona, izay vao hendry marina. Andriamanitra no loharanon'ny herin-tsaina sy ny herim-panahy. Ny olo-manan-daza lehibe indrindra izay nahatratra ny avo indrindra amin'ny taranja siansa, sy mahatalanjona an'izao tontolo izao, dia tsy azo ampitahaina amin'i Jaona malala na i Paoly, ilay apostoly lehibe. Rehefa tafaray ny hery ara-tsaina sy ara-pitondran-tena, dia tonga amin'ny ambony indrindra amin'ny toetrany ny olombelona. Ireo izay mahatratra izany no heken'Andriamanitra ho mpiara-miasa Aminy amin'ny famolavolana ny saina. 

Fahalalana lehibe tokoa ny mahafantatra tsara ny tena. Ny mpampianatra mahay manombana ny tenany araka ny tokony ho izy dia hamela an'Andriamanitra hamolavola sy hifehy ny fisainany. (...) (1 Kôr. 4:7). Mitarika ho amin'ny fanetren-tena sy ny fitokiana amin'Andriamanitra ny fahafantarana tsara ny tena, kanefa tsy mahasolo ny ezaka ho amin'ny tsara tokony hatao izany. Izay mahatsapa ny tsy fahatanterahan'ny tenany dia tsy hitsitsy aina amin'ny fanatrarana ny tsara indrindra, na ara-batana, na ara-tsaina, na ara-panahy. - STE, tt. 49,50.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARAMONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal