Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Raiso ny Fanahy Masina

Daty
Alarobia 09 April 2025

 "Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fitarainako, Jehovah ô; Ampianaro aho araka ny teninao." - Sal. 119:169.

Mofon’aina:
Natao ambanin-javatra ny Baiboly, fa ny tenin'ireo lehilahy sy vehivavy heverina ho malaza kosa no nasolo azy. Enga anie ny Tompo hamela ny helotsika noho ny fanamavoantsika ny Teniny. Na misy harena tsy hay tombanana aza ao amin'ny Baiboly, ary na toy ny tany manafina volamena sarobidy aza izany, dia tsy mba omen-danja, tsy misy mpitrandraka, ka tsy hita ny harenany.Tsy haintsika sandaina ny hasarobidin'ny famindram-po sy ny fahamarinana ary ny fitiavana; tsy mety ho be loatra mihitsy ny fananantsika ireo harena avy any an-danitra ireo, ary ao amin'ny Tenin'Andriamanitra no ahitantsika ny fomba ahazoana azy. Nahoana anefa no tsy mampiraika ireo maro mitonona ho Kristianina ny Tenin'Andriamanitra? Satria ve tsy fanahy sy fiainana ny Tenin'Andriamanitra? Tsy mahaliana ve ny asa ampanaovin'i Jesosy antsika, rehefa mandidy antsika izy hoe "diniho ny Soratra Ilasina"? Hoy i Jesôsy: "ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana." Fa ny zava-panahy dia takarina ara-panahy, ary ny antony tsy mahaliana anao dia ny tsy fanananao ny Fanahin'Andriamanitra. 

Misy fiainam-baovao mikoriana ao anatinao rehefa mifandrindra amin'ny Tenin'Andriamanitra ny fonao. Misy hazavana vaovao mamirapiratra eo amin'ny andalana tsirairay, ary manjary feon'Andriamanitra miteny amin'ny fanahinao izany. Toy izany no andraisanao hevitra avy any an-danitra ka ahafantaranao ny lalan-kalehanao sy hisitrahanao amin'ny fahafenoany ny tombontsoa omena anao isan'andro.

Tokony hangataka amin'ny Tompo isika mba hanokafany ny saintsika, hahafahantsika mahatakatra ny fahamarinan'ny lanitra. Raha mampietry ny fontsika eo anatrehan'Andriamanitra isika, raha esorintsika ao ny avonavona sy ny fireharehana ary ny fitiavan-tena, raha manam-paniriana marina sy finoana miorim-paka isika, noho ny fahasoavana be dia be nomena antsika, dia hamirapiratra ao an-tsaintsika ny tara-pahazavan'Ilay Masoandron'ny fahamarinana, ka hanazava ny fahatakarantsika maizina. I Jesôsy no fahazavana manazava ny olona rehetra eto amin'izao tontolo izao. (...) Tonga Izy hitady sy hamonjy ny very, ary tsy navelany hisy na inona na inona hampiala Azy amin'io tanjony tokana io. (...) Napetrany teo an-tanantsika ity asa ity. Hanatanteraka izany ve isika? — RH, 24 Nôvambra 1891. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARAMONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (35)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal