Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fantaro ny fahamarinana, ka ivelomy.

Daty
Talata 08 April 2025

‘’Ato am-poko no iraketako ny teninao, mba tsy hanotako aminao.’’ Sal. 119:11.

Mofon’aina:    
Ianaro ny Tenin’Andriamanitra, izay nataony mazava sy tsotra noho ny fahendreny sy ny fitiavany ary ny hatsaram-pony. Manazava amintsika ny atao hoe mianatra ny Teny ny ao amin’ny Jao. 6. (...) Aoka ho fiainantsika isan’andro ny fahamarinany, ka ho takatsika ny zava-miafin’ny fahamasinana.

Mivavaha amin’Andriamanitra. Mifandraisa Aminy. Fantaro ny fisainan’Andriamanitra, toy ny olona mikatsaka ny fiainana mandrakizay sy tsy maintsy mahalala ny sitrapony. Azonao atao ny manambara ny fahamarinana araka izay ahitanao azy ao amin’i Kristy. Mila mandray sy manaiky ny Teniny ianao; tokony hanjary isan’ny tenanao mihitsy izany. Izany no hevitry ny hoe mihinana ny nofony sy misotro ny rany. Tokony hivelona amin’ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra ianao, izay nambarany. Tsy nambara tamintsika avokoa ny teny rehetra; tsy ho zakantsika mantsy izany fanambarana izany. Fa nambaran’Andriamanitra kosa izay rehetra ilaina ho famonjena antsika. Tsy azontsika atakalo hevitr’olombelona ny Teniny.

Andramo ka izahao, ary mahazoa fahalalana an’Andriamanitra amin’ny fitondrana ny ziogan’i Kristy. Manome fahendrena ny malemy fanahy sy ny tsy miavona am-po Izy, manome azy fahaiza-manavaka ny marina, manazava ny antony sy ny tanjona, ary manasongadina ny vokatry ny fihetsika sasany. Mampianatra ny mpandinika ny Soratra Masina ny Fanahy Masina mba hamantatra ny zavatra rehetra amin’ny alalan’ny fitsipiky ny rariny sy ny hitsiny ary fahamarinana. (...)

Ataovy mpanolo-tsaina anao ny Baiboly. Hitombo haingana ny fahalalanao ny Baiboly raha arovanao tsy ho tratry ny loton’izao tontolo izao ny sainao. Arakaraka ny andinihanao ny Baiboly no hahalalina ny fahafantaranao an’Andriamanitra. Ho voasoratra ao am-ponao ny fahamarinan’ny Teniny, ka hamela marika tsy hay fafàna. (...)

Mahasoa ireo mpandinika azy ny Tenin’Andriamanitra, kanefa tsy izy tenany ihany. Fiainana sy famonjena ho an’izay rehetra mifanerasera aminy ny fandinihan’izy ireo ny Teny. Hahatsapa ho manana andraikitra masina izy ireo, dia ny fampitana ny fahalalana noraisiny. Ho hita eo amin’ny fiainany ny hery sy ny fanampiana voarainy vokatry ny firaisany amin’ny Tenin’Andriamanitra. (...) Ny olona toy izany no azon’ny Tompo lazaina hoe: “mpiara-miasa amin’Andriamanitra.” – CH, tt. 370-372.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal