Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manazava ny Teny ny Fanahy Masina

Daty
Talata 22 April 2025

 "Ary ny toe-panahin'ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin'ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan-andro, na marina izany, na tsia." - Asa. 17:11.

Mofon’aina:
"Diniho ny Soratra Masina" hoy i Kristy, "satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy." — Jao. 5:39. Izay mitrandraka lalina no mahita ireo haren-tsarobidin'ny fahamarinana. Eo anilan'ny mpikatsaka amin 'ny fo marina ny Fanahy Masina. Manazava ny Teny ny taratra avy Aminy, mamantsika sy manome lanja vaovao ny fahamarinana ao an-tsaina. Fiadanana sy fifaliana tsy mbola fantany hatrizay no tsapan'ilay mpandinika. Misy fahazavana vaovao avy any an-danitra mitsilo ny teny, ka mamirapiratra toa volamena ny litera tsirairay. Andriamanitra mihitsy no miteny amin'ny saina sy ny fo, ka manjary fanahy sy fiainana ilay Teny.

Manandratra ny fony any amin' Andriamanitra ireo mpandinika marina ny Teny, mitalaho ny fanam-pian'ny Fanahy Masina. Ary tsy ela dia hitany fa asandratra ambonin'ireo fanambarana rehetra tsy marim-pototra avy amin'ireo mitonon-tena ho mpampianatra izy, izay tsy tohanan'ny Tenin'Andriamanitra velona ny tsangan-kevitra mangozohozo arosony. Tsy nianarany mantsy ilay lesona lehibe fototra hoe: Ao amin'ny Tenin'ny Tompo no misy ny Fanahin'Andriamanitra sy ny fiainany. Raha noraisiny tao am-pony ny singa mandrakizay voarakitra ao amin'ny Tenin'Andriamanitra, dia ho hitany fa zava-poana sy tsy misy heviny ny ezaka rehetra ataony hahitana zava-baovao mampientanentana. Mila mianatra ireo fitsipika fototry ny Tenin'Andriamanitra izy ireo, dia ho afaka hizara ny tenin'ny fiainana ho an'ny hafa, izay tsy ela dia hahay hanavaka ny vary amin'ny tsiparifary satria namela teny fikasana ho an'ny mpianany i Jesôsy (...). 

"Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo." — Jao. 14:27. Zara raha takatry ny olona, ny ankohonana, na ny mambran'ny fiangonana ireo teny ireo, kanefa ho azy ireo sy amin'ny alalan' izy ireo, amin'ny maha-ankohonan 'Andriamanitra azy, no tian'Andriamanitra anehoana ny fahamarinana madio tsy misy tsiny, izay raha raisina araka ny tokony ho izy dia hitondra fiainana mandrakizay ho azy. — MS 21, tt. 131,132. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (34)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal