Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manaiky ny Baiboly ho feon'Andriamanitra

Daty
Alarobia 30 April 2025

 « Raha maharitra amin 'ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo. »- Jao. 8:31,32.

Mofon’aina:
Tsy very mandeha eo amin'ny lalan'ny adidy ireo tanora lahy  sy vavy manao ny Baiboly ho mpitari-dalana azy, ary voaro. Hampianatra azy ireo hitahiry ny toetrany ho mahatoky sy marina io Boky io, ary tsy hamitaka. Hampianarina azy fa tsy azony atao na oviana na oviana ny mandika ny lalàn'Andriamanitra mba hahazoany izay iriny, na dia mitaky fahafoizan-tena aza ny fankatoavana. Hianarany ao amin'ny Baiboly fa raha miala amin'ny lala-marina izy ireo dia tsy handray ny fitahian'ny lanitra; ary na misy aza ireo toa ambinina ao anatin'ny tsy fankatoavana, dia azo antoka fa tsy maintsy hijinja izay nafafiny ireny.

 Izay manaiky ny Soratra Masina ho feon'Andriamanitra miteny aminy no tena mpianatra. Mangovitra eo am-pandrenesana ny feony izy satria marina sy velona izany ho azy. Vonona hanaiky ny fampianarany masina ny sainy, ary mivavaka izy mba hanam-pahendrena hahazoany miomana ho amin'ny fanompoana. Rehefa apetraka eo an-tanan' ireo mpikatsaka ny fahamarinana ny fanilo avy any an-danitra dia hitany fa malemy sady tsy tanteraka ny tenany, ary tsy misy azony anantenana fanamarinana raha ny tenany no jerena. Hitan'izy ireo fa tsy misy na inona na inona mahamendrika azy eo anatrehan'Andriamanitra. Mivavaka izy mba hitari-dalana azy mandrakariva ny Fanahy Masina, Solontenan' i Kristy, ho amin'ny marina rehetra. Averimberiny ilay teny fikasana hoe: " fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin 'ny Ray amin'ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra." — Jao. 14:26. 

Hitombo fahalalana sy fahaiza-manavaka ireo izay mazoto mianatra Baiboly. Ho takatry ny sainy ireo lohahevitra ambony ary hifikitra amin' ireo fahamarinana mandrakizay izy. Antony tsara no hanosika azy ireo hiasa. Hampiasa ny talentany izy hitaomana sy hanampiana ny hafa hahatakatra tsara kokoa ny andraikitra napetrak'Andriamanitra taminy. Ho dibo-kafaliana ny fony rehefa ho hitany fa nahomby ny ezaka nataony tamin'ny fizarana tamin'ny hafa ny fitahiana noraisiny. — CPTS, U. 449,451. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (34)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal