Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Natao ho an'ny olombelona rehetra ny Sabata

Daty
Zoma 02 May 2025

 "Ary nampahalala azy ny Sabatanao masina Hianao, ary Mosesy mpanomponao nampilazainao didy sy fomba ary lalàna taminy. " - Neh. 9:14.

Mofon’aina:
Misy milaza fa natao ho an'ny Jiosy ihany ny Sabata, nefa tsy niteny izany velively Andriamanitra. Nankinin'Andriamanitra tamin'ny Isiraely vahoakany ny Sabata, toy ny andraikitra masina. Kanefa ny nifidianany hanambara ny lalàna tao an'efitr'i Sinay fa tsy tao Palestinina, dia maneho fa nataony ho an'ny taranak'olombelona rehetra izany. Efa nisy hatry ny ela, tahaka ny Famoronana ihany, ny Didy Folon'Andriamanitra. Koa tsy misy ifandraisany manokana amin'ny Jiosy ny lalàna momba ny Sabata, fa natao ho an' izay nohariana rehetra. Nataon'Andriamanitra tsy maintsy hotandreman'ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra ny Sabata.

Nambara mazava fa "Ny Sabata natao ho an 'ny olona" — Mar. 2:27. Koa aoka tsy hisy ho voafitaka ka hihaino ny fanambaran'olombelona; aoka kosa ny tsirairay hihaino sy hanome lanja ny Tenin'Andriamanitra. 

Tao Edena dia hoy Andriamanitra tamin'i Adama momba ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy: "amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao." — Gen. 2:17b. Nefa "hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory hianareo; fa fantatr 'Andriamanitra fa amin'izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an 'Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy. " — Gen. 3:4,5. Nihaino ny feon'i Satana niteny tamin'ny alalan'ny vadiny i Adama; nino feo hafa ankoatra Ilay nanambara ny lalàna tao Edena izy.

Nozahan-toetra ny olombelona tsirairay, toy ny natao tamin'i Adama sy i Eva tao Edena. Tahaka ny nametrahana ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy teo afovoan'ny saha Edena no nametrahana ny Sabata koa ho eo afovoan'ny Didy Folo (...) (Eks. 20:8). Nisedrana ny fankatoavan'i Adama ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, ary toy izany koa, nataon'Andriamanitra hizahan-toetra ny fahatokian'ny vahoakany rehetra ny didy fahefatra. Natao ho fampitandremana antsika ny fanandraman'i Adama, raha mbola maharitra koa ny fotoana. Mampitandrina antsika izany mba tsy hatoky izay aloaky ny vavan'olona mety maty, na ny an'ny anjely, izay hanafoana litera iray na tendron-tsoratra iray amin'ny lalàna masin'i Jehôvah. — RH, 30 Aogôsitra 1898. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (34)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal