Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Andro maneho ny hery sy ny fitiavan'Andriamanitra.

Daty
Sabotsy 03 May 2025

«Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan 'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy.» - Gen. 2:3.

Mofon’aina:
Rehefa nandinika tamim-pahalalaham-po ny asan-tanany izay tanteraka avokoa sady mendrika Ilay Mpanao azy Andriamanitra, dia nitsahatra Izy, tsy toy ny fitsaharan'olona aorian'ny manontolo andro iasany anefa, fa mba hanehoany ny hafaliany raha mahita ny asan'ny fahendreny sy ny hatsarany ary ny voninahiny Izy. 

Rehefa nitsahatra tamin'ny andro fahafito Andriamanitra, dia nanamasina izany andro izany Izy, izany hoe, nanokana azy ho toy ny andro fitsaharana ho an'ny olona. Antsoina hanaraka ny ohatra nasehon'ny Mpamorona azy ny olombelona; antsoina izy hanokana izany andro masina izany ho fialan-tsasatra, ka eo am-pandinihana ny lanitra sy ny tany, dia ho afaka hanandratra ny sainy ho amin'ny asan'Andriamanitra izy amin'ny fo feno fanajana sy fitiavana Ilay nanao ny ainy.

Tao amin'ny saha Edena no nananganan'Andriamanitra fahatsiarovana ny asa nataony. Napetrany tamin' i Adama izay ray sy solontenan'ny taranak'olombelona rehetra ilay andro fitsaharana. Ny fitandremana azy no toy ny mari-pisaorana avy amin'ny taranaka mifandimby rehetra ho an'Ilay Mpanjakany sy Mpamorona azy. Nanjary lovan'ny firenena io zava-notendrena io, izay natao ho fahatsiarovana tokoa. Ary satria tsy tandindon-javatra izany dia tsy voafaritra ho an'ny firenena anankiray manokana. 

Na dia tao Edena aza, dia nilain'ny olona mihitsy ny nanokana ny andro fahafito hitsaharana tamin'ny asany rehetra momba ny ety an-tany ka handinika bebe kokoa ny zavaboary, hihaino ny feon'ny natiora sy hanao antso avo fa misy Andriamanitra velona, Tompo sy Mpahary izay rehetra misy. "Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra: Ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany. Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy Ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy." — Sal. 19:1. 
Nv hatsaran-tarehin'ny zavaboary dia famantarana ny fitiavan'Andriamanitra. Miseho eo amin'ny saha voaravaky ny hazo makadiry sy eo amin'ny voninkazo vao mivelatra izany. Ny zavatra rehetra dia mampahatsiaro izany avokoa; eny, ny zavatra rehetra dia samy manainga ny vetsovetsontsika ho any amin'Ilay Mpamorona izao tontolo izao. — PM, tt. 27,28.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal