Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Antsika ny henemana, iray andro no Azy

Daty
Alahady 04 May 2025

 "Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Fa Sabatan Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; (...) izany no nitahian’i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy." - Eks. 20:8-11.

Mofon’aina:
Vao manomboka ny didy fahefatra dia hoy Andriamanitra hoe: "Mahatsiarova", satria fantany fa ao anatin'ny asa aman-draharaha miavosa sy ny fahasahiranana, dia mety halaim-panahy ny lehilahy sy ny vehivavy hanala tsiny ny tenany noho ny tsy fitandremany tsara ny fitakian'ny lalàn' Andriamanitra rehetra, na hanadino ny maha-zava-dehibe sy masina izany noho ny rotorotom-piainana. "Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra," izany hoe ny raharaha mahazatra fanaonao eo amin'ny fiainana, hahazoanao tombontsoa na fahafinaretana eo amin'izao tontolo izao. Mazava tsara ireo teny ireo, ary tsy misy tokony ho diso fandray azy.

Ranadahy K, ahoana no ahasahianao mandika didy iray izay sady manan-danj a no manan-kery? Moa ve navahan'ny Tompo ianao ka afaka amin'ny lalàna izay nomeny hotandreman'izao tontolo izao? (...) Aza mety ho voafitaka na dia kely aza, amin'ny fieritreretana fa tsy hampiharana ny sazy mendrika azy ny fahotanao. Hofaizina amin'ny tsorakazo ny fandikanao lalàna, satria efa nandray fahazavana ianao, nefa nandeha mifanohitra tanteraka amin'izany.

"Fa ilay mpanompo izay mahalala ny sitrapon'ny tompony ihany ka tsy miomana na manao izay sitraky ny fony dia hokapohina be." — Lio. 12:47.

 Nanome antsika enina andro Andriamanitra hanaovana ny asantsika sy hanatanterahana ny raharaha mahazatra eo amin'ny fiainana; fa andro iray kosa no mba takiny, izay natokany sy nohamasininy. Nomeny antsika izany ho andro ahafahantsika miala sasatra, mitsahatra amin'ny asantsika, sy manokan-tena ho amin'ny fivavahana sy ny. fandrosoana ara-panahy. Faniratsirana lehibe tokoa ny fangalarantsika ilay andro tokana nohamasinin'i Jehôvah mba hampiasantsika izany ho amin'ny tanjontsika manokana feno fitiavan-tena! 

Sahisahy foana tokoa ny olombelona izay mihevitra fa mahazo manao marimaritra iraisana amin'ny Tsitoha mba hahazoana tombontsoa kely ara-nofo. Tena fandikan-dalàna tsotra izao ny fampiasana ny Sabata hanaovana raharaha ara-barotra tsindraindray fotsiny, mitovy amin'ny fandavana azy tanteraka ihany; satria midika izany fa araka izay metimety amintsika ihany no hanajantsika ny didin'ny Tompo. — TFC, b. 4, t. 249. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (34)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal