Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Takela-by mpanondro lalana sandoka

Daty
Alahady 11 May 2025

 

"Ary dia milaza amin'ny Zanak'Isiraely hianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo." - Eks. 31:13.

Mofon’aina:
Nosoritan'ny Tompo mazava ny lalana mankany amin'ny tananan'Andriamanitra saingy novan'ilay rain'ny fihemorana ny takela-by mpanondro lalana ka nosoloany sandoka - ny sabata sandoka izany. Hoy izy: "Hanao asa manohitra an' Andriamanitra aho. Homeko fahefana ny solontenako, ilay lehilahin'ota, mba hanitsakitsaka ny tsangambato naorin'Andriamanitra, ny Sabata andro fahafito. Amin'izany no hanehoako amin'izao tontolo izao fa efa novana ny andro nohamasinin'Andriamanitra sy notahiny. Tsy ho velona ao an-tsain'ny vahoakan'Andriamanitra intsony io andro io fa hofafako ny fahatsiarovana azy. Andro iray tsy mitondra ny tombokasen' ny lanitra no hasoloko ny toerany, andro iray izay tsy azo atao famantarana amin'Andriamanitra sy ny vahoakany.

 "Hotarihiko ny olona izay manaiky io andro io hanamasina izany eo amin'ny toeran'ny andro fahafito napetrak' Andriamanitra. Hanandratra ny tenako amin'ny alalan' izay manam-pahefana manarakaraka ahy aho. Hasandratra ny andro voalohany, ary horaisin'ny tontolo protestanta ho toy ny Sabata marina io sandoka io. Amin'ny alalan'ny tsy fitandremana ny Sabata naorin' Andriamanitra no hanehoako ny tsy fanajana ny Lalany. Hampiasaiko hanohanana ny sabatako ny teny hoe: famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramininy taranakareo fara mandimby izany.' Amin'izany no hahatonga an' izao tontolo izao ho ahy. Izaho no hanapaka amin'ny tany, ho andrianan'izao tontolo izao. Hofeheziko ny fisainan'ireo eo ambany fahefako ka hanjary zavatra fanao tsinontsinona ny Sabatan'i Jehovah." (...) 

Napetrak' ilay lehilahin'ota ny sabata sandoka, ary efa nanaiky io zanaky ny fahefana papaly io ireo izay mitonona ho Kristianina ka manda tsy hankato an' Andriamanitra amin'izany. Tahaka izany no itarihan'i Satana ny lehilahy sy ny vehivavy ho amin'ny lalana mifanohitra amin'izay mankany amin'ilay tanana fialofana; ary ireo vahoaka marobe manaraka azy no maneho fa tsy i Adama sy i Eva irery no nanaiky ny tenin'ilay fahavalo fetsy.

Navadik'ilay fahavalo ny takela-by mpanondro lalana mba haneho ny lalan'ny tsy fankatoavana ho toy ny lalan'ny fahasambarana. - SDABC, b. 4, tt. 1171, 1172. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal