Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manaova soa amin'ny Sabata

Daty
Alatsinainy 12 May 2025

 "Fa Tompon'ny Sabata ny Zanak 'olona. (...) Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata." - Mat. 12:8,12.

Mofon’aina:
Nisy lesona nirin'i Jesosy homena ireo mpianany mba tsy hahatonga azy ireo hotarihin'ny mpisorona sy ireo mpanapaka ho amin'ny fandikana vilana ny fomba tokony hitandremana ny Sabata rehefa tsy ho eo amin'izy ireo intsony Izy. Nesoriny tsy ho eo amin'ny Sabata intsony ireo fombafomba sy fitakiana maro namesaran'ny mpisorona sy ny mpanapaka izany.

Nandalo teo amin'ny tanimbary anankiray Izy sy ny mpianany, indray Sabata, noana izy ireo tamin'izay ka nanomboka nikosoka ny salohim-bary ary nihinana. "Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin'ny Sabata." - Mat. 12:2. Ho setrin' ny fiampangan'ireo, dia naverin'i Jesôsy taminy izay nataon'i Davida (...): "Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy, fa niditra tao amin'ny tranon'Andriarnanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany? Ary tsy mbola novakinareo ao amin'ny lalana va fa amin 'ny Sabata ny mpisorona ao amin'ny tempoly manota ny Sabata, nefa tsy manao-tsiny? Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly." - Mat. 12:3-6.

 Raha nanala tsiny an'i Davida manoloana ny fandikana ny fahamasinan'ny fitoerana masina ny hanoanana tafahoatra ka nahatonga ny fihetsiny tsy nahameloka azy, dia lehibe lavitra noho izany ny fanalan-tsiny ny fihetsika tsotran'ireo mpianatra izay nioty salohim-bary sy nihinana izany tamin'ny andro Sabata! (...)

 Tsy fandikana ny lalàna ny asam-pamindrampo sy ny fanomezana ny zavatra ilain' ny olombelona. Tsy manameloka izany Andriamanitra. Nolazainy fa mifanaraka amin'ny lalàna nambarany teo Sinay ny asam-pamindrampo sy ny famaliana ny filan'ny olombelona natao teo am-pamakivakiana ny tanimbary iray, ny fiotazana ireo salohim-bary sy ny fikosehana izany tamin'ny tanana ary ny fihinanana izany mba hampitoniana ny hanoanana. Araka izany, dia nambarany fa tsy meloka Izy, teo anatrehan'ireo mpanora-dalana, sy ny mpanapaka sy ny mpisorona, ary teo anatrehan'ny lanitra sy ireo anjely lavo ary ny olombelona lavo. - RH, 3 AogOsitra 1897. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (21)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal