Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny Sabata, natao hampifandrindra antsika amin'Andriamanitra

Daty
Alakamisy 15 May 2025

« Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho an'ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny Sabata.» - Mar. 2:27.

Mofon’aina:
Rehefa nampangaina ho nandika ny Sabata i Jesôsy tao Betesda, dia niaro tena Izy tamin'ny fanambarana fa mifandrindra amin'izay ataon'ny Ray ny asany. Ny mpianatra indray izao no ampangaina. Maka ohatra avy ao amin'ny Testamenta Taloha ho an'ny mpiampanga i Jesosy, dia ohatra mampiseho fihetsika nataon'izay teo amin'ny fanompoana an'Andriamanitra tamin'ny Sabata.

Nireharehan' ireo mpampianatra j iosy ny fahalalany ny Soratra Masina, ary nisy fanomezan-tsiny ny tsy fahalalany ny Soratra Masina ny valin-tenin'ny Mpamonjy. Hoy Izy: "Tsy mbola novakinareo va ny teny izay milaza ilay nataon'i Davida, raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy, fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra izy ka nandray ny mofo aseho ary nihinana, (…) nefa mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany?" (Mat. 12:3-5) (dia hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho an'ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny Sabata; ka dia Tompon'ny Sabata aza ny Zanak'olona." - Mar. 2:27. "Ary tsy mbola novakinareo ao amin'ny lalàna va fa amin'ny Sabata ny mpisorona ao amin'ny tempoly manota amin'ny Sabata, nefa tsy manan-tsiny? Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly (..) Fa Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona. " (Mat. 12:5-7,9).

Tsy navelan' i Jesôsy handeha amin'izao tsy nanomezany tsiny ny fahavalony my toe-javatra iny. Nambarany fa noho ny fahajambany dia diso fihevitra izy momba ny zava-kendren'ny Sabata. Hoy Izy: "Fa raha fantatrareo izay hevifry ny teny hoe: Tamindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra, dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny hianareo " (Hos. 6:6). Ny fanompoam-pivavahana marobe tsy ataony amin'ny fo dia tsy afaka hameno ny fahabangan'ny fahamarinan-toetra mahatoky sy ny fitiavana mamy izay hampiavaka mandrakizay ny tena mpivavaka marina amin'Andriamanitra. (…)

Ny fanompoan'ny fitiavana no misy tombam-bidiny amin'Andriamanitra. Rehefa banga izany, dia fanafintohinana ho Azy ny fanompoam-pivavahana marobe mifandimby fotsiny. Toy izany koa ny amin'ny Sabata. Natao hitondra ny olona hifandray amin'Andriamanitra izany; nefa raha variana amin'ny fombam-pivavahana mandreraka ny saina, dia voasakana ny zava-kendren'ny Sabata. Fanarabiana ny fitandremana azy ivelambelany fotsiny. — IFM, tt. 222,223. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal