Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Andro hanehoana famindrampo

Daty
Alahady 18 May 2025

"Ary Anao koa, ry Tompo ô,  ny famindrampo, fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy." - Sal. 62:12.

Mofon’aina:
Handre ny vavaka atao amin'ny fo ilay Andriamanitra Tompon'ny Sabata. Hitari-dalana ireo izay mahatsapa ny fiankinany Aminy Izy, ary koa hitari-dalana ireo mpiasany mba ho maro ny fanahy tonga amin'ny fahalalana ny fahamarinana.

 Manana hery miasa mangina mahova ny sain'izay mandray azy ny fahamarinana ao amin'i Jesôsy . Aoka tsy hisy hanadino fa tsy irery izay miaraka amin'Andriamanitra, ary azo antoka fa ny fahombiazana no hamarana ny ezaka misionera rehetra. Fantatr'ireo izay manana fifandraisana velona amin'Andriamanitra fa miasa amin'ny alalan'ny olombelona ny lanitra. Ny fanahy rehetra izay miara-miasa amin'Andriamanitra dia hanao ny marina, ho tia famindrampo, ary hiara-mandeha Aminy amim-panetren-tena. 

Andriamanitry ny famindrampo ny Tompo, ary mihevitra na dia ny momba ireo biby tsy mahay miteny izay noforoniny aza. Rehefa nanasitrana tamin'ny andro Sabata Izy, ary nampangaina ho nandika ny didin'Andriamanitra, dia izao no nambarany tamin'ireo niampanga Azy: "moa tsy samy mamaha ny ombiny sy ny borikiny hiala amin'ny fihinanam-bilona amin'ny Sabata va hianareo ka mitondra azy hisotro rano? Koa ity vehivavy zanak'i Abrahama ity, izay efa nafatotr’i Satana izao valo ambin'ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin'izany fatorana izany amin'ny andro Sabata va? Ary raha nilaza izany Izy, dia nangaihay izay rehetra nanohitra Azy; fa ny vahoaka rehetra nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony." - Lio. 13:15-17. 

Mijery ireo voary noforoniny amim-pangorahana ny Tompo, na inona na inona fokom-pirenena misy azy ireo. "Ary ny firenena rehetra avy amin'ny iray ihany dia namponeniny ambonin 'ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan'andro sy ny faritry ny fonenany, mba hitady an 'Andriamanitra izy, raha tahiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy; fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon'ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika." Asa. 17:26-28. 
Izao no nolazain'ny Mpamonjy raha niresaka izany tamin'ny mpianany: "(...) ary hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa." - Mat. 23:8. Raintsika rehetra Andriamanitra, ary samy mpitandrina ny rahalahiny avy isika. - RH, 21 Janoary 1896. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (21)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal