"Mahagaga ny fikotrokotrok'Andriamanitra amin'ny feony; manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy." - Jôba 37:5.
Mofon’aina:
Rehefa nanonona ny lalàny tamin'ny feo mafy teo Sinay Andriamanitra, dia toy izao ny teny nampidirany ny momba ny Sabata: "Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy." Rehefa izay dia nambarany mazava izay tokony hatao amin'ny henemana sy izay tsy tokony hatao amin'ny andro fahafito. Nomeny avy eo ny antony tokony hitandremana ny herinandro araka izany, ka nampahatsiahiviny ny ohatra nasehony tamin'ny herinandro voalohany indrindra. "Fa henemana no nanaovan'i Jehôvah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbarnin 'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehôvah ny andro Sabata sy nanamasinany azy." - Eks. 20:11. Manjary maha-te ho tia sy manan-danja ireo antony ireo rehefa takatsika fa andro ara-bakiteny no resahiny ao amin'ny tantaran'ny Famoronana. Natokan' Andriamanitra ho andro fitsaharana ny andro fahafito ho fahatsiarovana ny nitsaharany tamin'ny fotoana tahaka izany koa rehefa vitany ny asa famoronana nandritra ny enina andro.
Mamely mivantana ny fanorenan'ny Sabatan'ny didy fahefatra ny petra-kevitry ny tsy mpino izay milaza fa fotoana fito naharitra sy tsy voafaritra no nilaina mba hahatanteraka ireo toe-javatra niseho tao anatin'ny herinandro voalohan'ny famoronana. Mahatonga ny zavatra nasehon'Andriamanitra mazava ho manjavozavo izany. Izany no tsy fahatokiana ratsy indrindra, satria hita eo amin'ireo marobe izay milaza ho mino ny tantaran'ny Famoronana. Miampanga an'Andriamanitra ho mibaiko antsika hitandrina andro fito ara-bakiteny ho fahatsiarovana fotoana izay tsy voafaritra fito izany, kanefa tsy tahaka izany ny fifandraisan'Andriamanitra amintsika, ary fitenenan-dratsy ny Fahendreny izany. (...)
Nomena mba ho fanilon'ny tongotsika sy fanazavana ny lalantsika ny Tenin'Andriamanitra. Ho tafintohina ao amin'ny maizina ireo izay manary ny Tenin'Andriamanitra ka mikatsaka ny hamantatra ireo zava-miafin' i Jehôvah amin'ny alalan'ny filôzôfiany feno fahajambana. Efa nomena ny olona mety maty ny tari-dalana mba hahafantaran'izy ireo ny asa nataon'Andriamanitra araka izay mahasoa azy. Nohazavain'ny tsin-drimandrin'Andriamanitra tamin'ny nanomezany antsika ny tantaran'ny Safodrano ireo zava-miafina mahatalanjona izay tsy ho hain'ny haibolantany hazavaina samirery. - ST, 20 Marsa 1879.