Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny Sabata, mampahatsiahy antsika ny heriny hoenti-mamorona

Daty
Zoma 23 May 2025

"Lehibe Jehôvah ka tokony hoderaina indrindra; ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany." - Sal. 145:3.

Mofon’aina:
Misy ireo mpandinika momba ny haibolantany tsy mpino an'Andriamanitra izay milaza fa mihoatra lavitra noho izay tantarain'ny Baiboly ny fahelan'ny tany. Lavin'izy ireo ny fanambaran'ny Tenin'Andriamanitra noho ireo porofo izay heveriny fa maneho ny fisian'ny tany efa an-tapitrisa taona maro. Ary maro amin'ireo izay milaza fa mino ny Baiboly no tsy mahay manazava ireo zava-mahatalanjona hita eto ambonin'ny tany raha toa ka fito andro ara-bakiteny monja ny faharetan'ny famoronana ary enina arivo taona monja no nisian'ny tany. Mba hisorohana ny olana amin'ireo mpahay haibolantany tsy mpino, dia eken'ireny olona ireny fa fotoana enina naharitra sy tsy voafaritra ny henemana nanaovana ny Famoronana ary koa ny andro fitsaharan'Andriamanitra dia fotoana iray hafa izay tsy voafaritra koa. Mahatonga ny didy fahefatry ny lalàna masin'Andriamanitra tsy hanana ny dikany izany. (...)

Misy taolam-biby sy taolan'olona hita tao ambanin'ny tany, tany an-tendrombohitra sy tany an-dohasaha, izay maneho fa fahiny dia nisy biby sy olona lehibe kokoa noho izay misy amin'izao andro izao. Matetika koa no ahitana fitaovam-piadiana sy hazo nanjary vato. Noho ireo (...) no mahatonga ny olona sasany hanatsoaka hevitra fa efa ela talohan'ny tantaran'ny Famoronana no nonenan'ny taranaka lehibe sy vaventy noho ny amin'izao teto an-tany. Voafetra ihany ny fihevitr'ireo izay misaina toy izany momba ny haben'ny olona sy ny biby ary ny hazo talohan'ny Safodrano ary koa ny fiovana lehibe niseho teto an-tany taorian' izany.
Tsy afa-manaporofo na inona na inona ny haibolantany raha tsy eo ny tantaran'ny Baiboly(...). Eoambonin'ny ranomasimben'ny fisalasalana sy ny fahaverezan-kevitra ny olona rehefa miala amin'ny Tenin'Andriamanitra ka mitady hanazava ny asa famoronana amin'ny alalan'ny zavaboary. Tsy mbola nampahafantarin'Andriamanitra ny olona mety maty mihitsy ny fomba nanatontosany ny asa famoronana tao anatin'ny enina andro ara-bakiteny. Tsy takatry ny saina tahaka ny fisiany ihany ny asa famoronana nataony. - ST, 20 Marsa 1879.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (21)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal