Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny Tenin'Andriamanitra no inoy

Daty
Sabotsy 24 May 2025

 "An'i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina; fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra ambara, hankatoavantsika ny teny rehetra amin' ity lalàna ity." - Deo. 29:28.

Mofon’aina:
Asa manokana ataon'i Satana ny mitarika ny olombelona lavo hikomy amin'ny fitondram-panjakan'Andriamanitra, ary nahomby tokoa izy tamin'ny ezaka nataony. (. ,.) Naneho fankahalana manokana ny didy fahefatra izy satria manondro ilay Andriamanitra velona izany, dia ilay Mpanao ny lanitra sy ny tany. Resy 1a hatry ny paikadiny ny olona ka niala ta min'ireo fitsipika mazava avy amin' i Jehovah mba handray anganongano feno tsy fahatokiana. 

Tsy hanana fialan-tsiny izy ireo amin' izany. Efa nanome porofo ampy ampiorenana ny finoana Andriamanitra, raha maniry hino ny olona. Amin'ny andro farany, dia mila tsy ho hita eto an-tany ny finoana tena izy. Hoheverina fa tsy azo antoka ny Tenin'Andriamanitra, (...) horaisina kosa ny fisainan'olombelona na dia m fanohitra amin'izay ambaran'ny Soratra Masina mazava aza. Hiezaka mafy ny lehilahy sy ny vehivavy hanazava ny asa famoronana amin'ny alalan'izay zava-miseho eo amin'ny zavaboary. Tsy mbola nampahafantarin'Andriamanitra ny olona mety maty mihitsy ny fomba niasany tamin'ny Famoronana. Tsy mety ho takatry ny siansan'ny olombelona ny tsiambaratelon' ilay Andriamanitry ny lanitra. (...)

Olona mitonona ho mpiasan' Andriamanitra no manandratra ny feony hanohitra ny famotopotoran'ny faminaniana, ary milaza amin'ny hafa fa feno zava-miafina ny faminaniana (...), indrindra izay ao amin'ny bokin'i Daniela sy i Jaona. Ny sasany amin'ireny olona ireny anefa dia mandray amim-pifaliana ny petra-kevitry ny mpandinika momba ny haibolantany izay manohitra ireo asa soratr Mosesy. Raha tena saro-takarina tokoa ny sitrapon'Andriamanitra izay ampahafantariny, dia tsy tokony hanankina ny finoany amin'ny fiheverana tsy marim-pototra mikasika izay tsy nambaran'Andriamanitra ny olona. Ny lalan'Andriamanitra tsy lalantsika ary ny fiheviny tsy fihevitsika. (...) Nampiasain'ny olona tsy araka ny tokony ho izy, noho ny fisainany feno avonavona, ireo zavatra nokendren'Andriamanitra hitarihana azy ireo ho amin'ny fanandratana Azy. Latsaka ao anatin'ny fahadisoana tahaka izay nanjo ireo olona talohan'ny Safodrano izy ireo - izay nomen'Andriamanitra azy ho tombony, dia navadiny ho ozona noho ny fampiasany izany tsy araka ny tokony ho izy. - ST, 20 Marsa 1879. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.
Sun 03 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandehana ka manompoa an’i Jehôvah.
Mon 04 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanokanana ny voalohan-teraka.
Tue 05 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Niampita ny ranomasina mena.
Wed 06 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandroso amim-pinoana.
Thu 07 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Ny hiran’i Mosesy sy i Miriama.
Fri 08 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanampiny.
Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.
Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal