Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny Tenin'Andriamanitra no inoy

Daty
Sabotsy 24 May 2025

 "An'i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina; fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra ambara, hankatoavantsika ny teny rehetra amin' ity lalàna ity." - Deo. 29:28.

Mofon’aina:
Asa manokana ataon'i Satana ny mitarika ny olombelona lavo hikomy amin'ny fitondram-panjakan'Andriamanitra, ary nahomby tokoa izy tamin'ny ezaka nataony. (. ,.) Naneho fankahalana manokana ny didy fahefatra izy satria manondro ilay Andriamanitra velona izany, dia ilay Mpanao ny lanitra sy ny tany. Resy 1a hatry ny paikadiny ny olona ka niala ta min'ireo fitsipika mazava avy amin' i Jehovah mba handray anganongano feno tsy fahatokiana. 

Tsy hanana fialan-tsiny izy ireo amin' izany. Efa nanome porofo ampy ampiorenana ny finoana Andriamanitra, raha maniry hino ny olona. Amin'ny andro farany, dia mila tsy ho hita eto an-tany ny finoana tena izy. Hoheverina fa tsy azo antoka ny Tenin'Andriamanitra, (...) horaisina kosa ny fisainan'olombelona na dia m fanohitra amin'izay ambaran'ny Soratra Masina mazava aza. Hiezaka mafy ny lehilahy sy ny vehivavy hanazava ny asa famoronana amin'ny alalan'izay zava-miseho eo amin'ny zavaboary. Tsy mbola nampahafantarin'Andriamanitra ny olona mety maty mihitsy ny fomba niasany tamin'ny Famoronana. Tsy mety ho takatry ny siansan'ny olombelona ny tsiambaratelon' ilay Andriamanitry ny lanitra. (...)

Olona mitonona ho mpiasan' Andriamanitra no manandratra ny feony hanohitra ny famotopotoran'ny faminaniana, ary milaza amin'ny hafa fa feno zava-miafina ny faminaniana (...), indrindra izay ao amin'ny bokin'i Daniela sy i Jaona. Ny sasany amin'ireny olona ireny anefa dia mandray amim-pifaliana ny petra-kevitry ny mpandinika momba ny haibolantany izay manohitra ireo asa soratr Mosesy. Raha tena saro-takarina tokoa ny sitrapon'Andriamanitra izay ampahafantariny, dia tsy tokony hanankina ny finoany amin'ny fiheverana tsy marim-pototra mikasika izay tsy nambaran'Andriamanitra ny olona. Ny lalan'Andriamanitra tsy lalantsika ary ny fiheviny tsy fihevitsika. (...) Nampiasain'ny olona tsy araka ny tokony ho izy, noho ny fisainany feno avonavona, ireo zavatra nokendren'Andriamanitra hitarihana azy ireo ho amin'ny fanandratana Azy. Latsaka ao anatin'ny fahadisoana tahaka izay nanjo ireo olona talohan'ny Safodrano izy ireo - izay nomen'Andriamanitra azy ho tombony, dia navadiny ho ozona noho ny fampiasany izany tsy araka ny tokony ho izy. - ST, 20 Marsa 1879. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal