Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fianakaviana miara-mitandrina ny Sabata

Daty
Alatsinainy 26 May 2025

 "Koa aoka ho fantatrao fa Jehôvah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindrampo amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin'ny taranaka arivo mandimby." - Deo. 7:9.

Mofon’aina:
Diniho ny Soratra Masina, ry ray aman-dreny. Aoka ianareo tsy ho mpihaino fotsiny fa ho mpanatanteraka ny Teny. Araho ny fenitra napetrak'Andriamanitra eo amin'ny fanabeazana ny zanakao. Aoka izy ireo hahita fa miomana ho amin'ny Sabata ianao mandritra ireo andro iasana ao anatin'ny herinandro. Tokony hatao ny fiomanana rehetra, (...) mandritra ny andro fiasana; aoka hovitaina ao anatin'ny andro fiomanana ny fandrahoana ny sakafo rehetra ho an'ny Sabata. Azo atao izany, ary raha ataonao fitsipika izany dia azonao tanterahina. (...)

 Hazavao amin'ny zanakao ny asa ataonao sy ny tanjona kendrena amin'izany, ary aoka izy ireo hanampy ny tenany sy ny ray aman-dreny amin'ny fanomanana ny fitandremana ny Sabata araka ny didy folo. Tariho ny zanakao hanao ny Sabata ho fahafinaretana, ho andro miavaka indrindra, ho masin'i Jehôvah, ary mendrika hohajaina. (...) 

Ny Zoma, dia tokony efa voaoman' ny ankizy, eo ambany fanaraha-mason'ny renim-pianakaviana, ny fitafian'izy ireo, mba hahafahany miomana haingana tsy amim-pirotorotoana na amim-pikorontanana ary koa mba hialana amin'ny tenim-pahatezerana. (...)

 Tokony hanokana ny fotoana rehetra azony atokana ho an'ny zanany ny ray aman-dreniny rehefa Sabata, mba hahatonga izany ho fahafinaretana. (...) Rehefa tsara ny andro, dia azon'ny ray aman-dreny atao ny mitondra ny zanany manao dia an-tongotra any an-tsaha na any anaty ala; amin'izany no iresahana aminy ny momba ireo hazo mijoalajoala sy ny kirihitra ary ny voninkazo, ary koa ampianarana azy fa Andriamanitra no Mpamorona ireo rehetra ireo. Ampianaro azy ireo avy eo ny antony isian'ny Sabata, mba ho fahatsiarovana ireo asa famoronana nataon'Andriamanitra. Nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito rehefa avy niasa tao anatin'ny henemana, ary notahiny sy nohamasininy izany andro nitsaharany izany. Tahaka izany no anomezana ny fampianarana mahasoa indrindra. - LUH, 14 Avrily 1909. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal