«Ary manamasina ny Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehôvah Andriamanitrareo.» - Ezek. 20:20.
Mofon’aina:
Ao amin'ny Apôkalypsy 14, dia antsoina ny olona hiankohoka eo anoloan'ny Mpamorona; ary asehon'ny faminaniana ny antokon'olona iray, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra ho vokatry ny hafatra telo sosona. Ny iray amin'ireo didy ireo dia manondro mivantana an'Andriamanitra amin'ny maha-Mpamorona Azy. Hoy ny ambaran'ny didy fahefatra: «Fa Sabatan'i Jehôvah Andriamanitrao ny andro fahafito ... henemana no nanaovan'i Jehôvah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina, mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito, izany no nitahian'i Jehôvah ny andro Sabata sy nanamasinany azy.» - Eks. 20: 10-11. (...)
Ny maha-zava-dehibe ny Sabata amin'ny maha-tsangambaton'ny famoronana azy dia izy mampahatsiaro mandrakariva ny tena antony tokony hiankohofana amin'Andriamanitra — satria Mpamorona Izy, ary isika noforoniny. «Noho izany ny Sabata dia tena fototry ny fanompoana an'Andriamanitra mihitsy, satria mampianatra io fahamarinana lehibe io amin'ny fomba manaitra indrindra izy, ary tsy misy fanorenana hafa (nataon'Andriamanitra) manao izany. Ny tena fototry ny fanompoan an'Andriamanitra, tsy amin'ny andro fahafito ihany, fa ny fanompoana azy rehetra, dia hita eo amin'ny fahasamihafan'ny Mpamorona sy ny noforonina. Tsy azo atao na oviana na oviana ny manafoana izany ary tsy azo hadinoina na oviana na oviana izany». - J. N. Andrews, History of the Sabbath, toko 27. Mba hitazonana io fahamarinana io ao an-tsain'ny olona mandrakariva no nanorenan'Andriamanitra ny Sabata tany Edena; ary raha mbola ny maha-Mpamorona antsika Azy ihany no antony tokony hiankohofantsika eo anatrehany, dia mbola ho famantarana sy tsangambato ihany ny Sabata. Raha notandremana eran'izao tontolo izao ny Sabata, dia ho voatarika ho eo amin'ny Mpamorona ny saina sy ny fitiavan'ny olona, amin'ny maha-tokony hanajana Azy sy hiankohofana Aminy, ary tsy ho nisy na oviana na oviana mpanompo sampy, na mpandà ny fisian'Andriamanitra, na tsy mpino. Ny fitandremana ny Sabata no famantarana ny firaiketam-po amin'Andriamanitra marina, «Ilay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny loharano». Noho izany ny hafatra izay mibaiko ny olona hiankohoka eo anatrehan'Andriamanitra sy hitandrina ny didiny dia miantso azy ireo amin'ny fomba manokana hitandrina ny didy fahefatra. – HM, tt. 451,452.