Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fitsaharana amin'ny Sabata sy fifaliana mandrakizay

Daty
Sabotsy 31 May 2025

 «Ary isaky ny voaloham-bolana sy isan-tsabata; Dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako, hoy Jehovah.» - Isa. 66:23.

Mofon’aina:
Tonga tao amin'ny fitsaharana i Jesosy nony farany. Tapitra ilay   andro lavabe feno fahafaham-baraka sy fampahoriana. Nandry fahizay tao am-pasan'i Josefa Ilay Zanak'Andriamanitra tamin'ny fotoana nanondroan'ny tanamasoandro milentika fa tonga ny Sabata. Feno sy tanteraka ny asany; ny tenany mikambana (teo amin'ny tratrany) tamim-piadanana, raha nitsahatra nandritra ireo ora masin'ny andro Sabata Izy.

Tamin'ny voalohany dia efa nitsahatra tamin'ny Sabata ny Ray sy ny zanaka taorian'ny asa famoronana. Raha «(..) vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy», dia niravoravo ny Mpamorona sy ny mponina rehetra tany an-danitra nijery sy nankalaza ilay fisehoan-javatra be voninahitra. «(...) Niara-nihira ny kintan'ny maraina, ary nihoby avokoa ireo Zanak'Andriamanitra.» - Jôba 38:7. Ankehitriny dia nitsahatra tamin'ny asa fanavotana i Jesosy; ary na dia nalahelo aza ireo izay tia Azy teto an-tany, dia nisy fifaliana kosa tany an-danitra. Be voninahitra ny fampanantenana ny hoavy teo imason'ireo mponina tany an-danitra. Famoronana tafaverina indray, taranaka voavotra, izay naharesy ny fahotana ka tsy ho lavo intsony, - izany no vokatra azo avy tamin'ny asa nataon'i Kristy ka hitan'Andriamanitra sy ny anjely. Mifamatotra mandrakizay amin'io toe-javatra io ny andro nitsaharan'i Jesosy (...) Fa «(...) tanteraka ny asany», ary «(..) izay rehetra ataon'Andriamanitra dia haharitra mandrakizay (..)» (Mpitt. 3:14). Rehefa hisy «(...) fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain 'Andriamanitra ny mpaminany masina hatramin'ny voalohany indrindra» (Asa. 3:21), dia mbola ho andro fitsaharana sy firavoravoana ihany ny Sabatan'ny famoronana, dia ilay andro izay nitsaharan'i Kristy tao amin'ny fasan'i Josefa. Hiray amin'ny fiderana ny lanitra sy ny tany, rehefa ho avy «(...) isan-tSabata (...)» ny firenen'ny voavonjy, hiankohoka amim- pifaliana hanompo an'Andriamanitra sy ny Zanak' ondry.

Ireo toe-javatra farany tamin'ny andro nanomboana teo amin'ny hazo fijaliana, dia nisy porofo vaovao nomena ny amin'ny fahatanterahan'ny faminaniana, sy vavolombelona vaovao ny amin'ny maha-Andriamanitra an'i Kristy. Rehefa niala tsy ho eo amin'ny hazo fijaliana ny haizina, ka niantso farany ny Mpamonjy efa ho faty, dia nisy feo hafa re avy hatrany nanao hoe: «Marina tokoa fa Zanak'Andriamanitra io Lehilahy io». — IFM, tt. 639,640. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal