Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fitsaharana amin'ny Sabata sy fifaliana mandrakizay

Daty
Sabotsy 31 May 2025

 «Ary isaky ny voaloham-bolana sy isan-tsabata; Dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako, hoy Jehovah.» - Isa. 66:23.

Mofon’aina:
Tonga tao amin'ny fitsaharana i Jesosy nony farany. Tapitra ilay   andro lavabe feno fahafaham-baraka sy fampahoriana. Nandry fahizay tao am-pasan'i Josefa Ilay Zanak'Andriamanitra tamin'ny fotoana nanondroan'ny tanamasoandro milentika fa tonga ny Sabata. Feno sy tanteraka ny asany; ny tenany mikambana (teo amin'ny tratrany) tamim-piadanana, raha nitsahatra nandritra ireo ora masin'ny andro Sabata Izy.

Tamin'ny voalohany dia efa nitsahatra tamin'ny Sabata ny Ray sy ny zanaka taorian'ny asa famoronana. Raha «(..) vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy», dia niravoravo ny Mpamorona sy ny mponina rehetra tany an-danitra nijery sy nankalaza ilay fisehoan-javatra be voninahitra. «(...) Niara-nihira ny kintan'ny maraina, ary nihoby avokoa ireo Zanak'Andriamanitra.» - Jôba 38:7. Ankehitriny dia nitsahatra tamin'ny asa fanavotana i Jesosy; ary na dia nalahelo aza ireo izay tia Azy teto an-tany, dia nisy fifaliana kosa tany an-danitra. Be voninahitra ny fampanantenana ny hoavy teo imason'ireo mponina tany an-danitra. Famoronana tafaverina indray, taranaka voavotra, izay naharesy ny fahotana ka tsy ho lavo intsony, - izany no vokatra azo avy tamin'ny asa nataon'i Kristy ka hitan'Andriamanitra sy ny anjely. Mifamatotra mandrakizay amin'io toe-javatra io ny andro nitsaharan'i Jesosy (...) Fa «(...) tanteraka ny asany», ary «(..) izay rehetra ataon'Andriamanitra dia haharitra mandrakizay (..)» (Mpitt. 3:14). Rehefa hisy «(...) fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain 'Andriamanitra ny mpaminany masina hatramin'ny voalohany indrindra» (Asa. 3:21), dia mbola ho andro fitsaharana sy firavoravoana ihany ny Sabatan'ny famoronana, dia ilay andro izay nitsaharan'i Kristy tao amin'ny fasan'i Josefa. Hiray amin'ny fiderana ny lanitra sy ny tany, rehefa ho avy «(...) isan-tSabata (...)» ny firenen'ny voavonjy, hiankohoka amim- pifaliana hanompo an'Andriamanitra sy ny Zanak' ondry.

Ireo toe-javatra farany tamin'ny andro nanomboana teo amin'ny hazo fijaliana, dia nisy porofo vaovao nomena ny amin'ny fahatanterahan'ny faminaniana, sy vavolombelona vaovao ny amin'ny maha-Andriamanitra an'i Kristy. Rehefa niala tsy ho eo amin'ny hazo fijaliana ny haizina, ka niantso farany ny Mpamonjy efa ho faty, dia nisy feo hafa re avy hatrany nanao hoe: «Marina tokoa fa Zanak'Andriamanitra io Lehilahy io». — IFM, tt. 639,640. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal