Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny famelezan’i Satana

Daty
Alakamisy 08 May 2025

" Koa foana ny ivavahan’ireo amiko, raha mampianatra ny didin’olombelona ho fampianarana izy. " Mat. 15:9. 

Mofon’aina :     
Niasa tao amin’ny tontolo ara-pivavahana ny fahavalo mba hamitahana ny olona sy hanao izay hinoan’izy ireo fa tsy ilaina ny mitandrina ny lalàn’Andriamanitra. Manana traikefa lehibe izy amin’io lafiny io satria efa an-taonany maro no nanaovany izany, nanomboka tamin’ireo ray aman-drenintsika voalohany, izay nampiasany ny heriny mamitaka nitaomana azy ireo tsy hatoky an’Andriamanitra. Raha vitany mantsy ny manakana ny fanahin’izy ireo tsy hankeo amin’Andriamanitra dia hahomby izy. Nahafinaritra an’i Adama sy i Eva izany ho tonga andriamanitra izany, koa resin’ny fakam-panahy izy ireo.

Nahatsapa toa nahazo tombony lehibe ny olombelonanoho ny fahalalana ny ratsy sy ny tsara, saingy tsy takany ny tanjon’i Satana. Tsy takany fa latsaka ao amin’ny fandriny izy rehefa manova ny lalàn’Andriamanitra. Fantatry ny fahavalo fa raha azo fehezina amin’ny alalan’ny fifanarahana ara-pôlitika ny Fiangonana dia azony taomina hiray amin’izao tontolo izao, ka amin’izany no hanekeny an’i Satana ho filohany, na dia tsy amin’ny fomba mivantana aza. Hanohitra ny fitondram-panjakan’ny lanitra ny fahefan’ireo didy noforonin’olombelona. (...)

Vokatry ny asa famitahana nataon’i Satana dia tratrany tao amin’ilay tontolo milaza ho Kristianina ilay tanjona nantenainy hotratrarina tany an-danitra, dia ny fanafoanana ny lalàn’i Jehôvah. Nezahiny noravana tamin’ny alalan’ny fahefana rômanina ilay tsangambato fahatsiarovan’Andriamanitra, ary ny azy manokana kosa no natsangany mba hampisaraka an’Andriamanitra amin’ny vahoakany. Efa nihataka tamin’Andriamanitra ny tontolo protestanta ankehitriny, tamin’ny nanekeny Sabata sandoka. Tsy misy na inona na inona ao amin’ny lalàna masina manamarina izany fomba fanao izany, na dia tendron-tsoratra iray aza; kanefa amin-kafanam-po no ilazany fa tokony hohadinoina, hatao tsinontsinona, hitsakitsahina, ilay tsangambato fahatsiarovan’ny Tompo nomena hatramin’ny Famoronana, ary ny andro voalohany amin’ny herinandro kosa no hasolo azy.

Tsy misy mandratra lalina ny fon’Andriamanitra toy ny manao tsinontsinona ny androny masina ka manolo izany amin’ny sabata sandoka, izay tsy ahitana mariky ny fahamasinana na kely aza. Nomen’Andriamanitra izao tontolo izao ny Sabata mba ho andro miavaka, hanomezam-boninahitra ny Anarany. (...) (Eks. 31:13,16). – ST, 22 Nôvambra 1899.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal