Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny famelezan’i Satana

Daty
Alakamisy 08 May 2025

" Koa foana ny ivavahan’ireo amiko, raha mampianatra ny didin’olombelona ho fampianarana izy. " Mat. 15:9. 

Mofon’aina :     
Niasa tao amin’ny tontolo ara-pivavahana ny fahavalo mba hamitahana ny olona sy hanao izay hinoan’izy ireo fa tsy ilaina ny mitandrina ny lalàn’Andriamanitra. Manana traikefa lehibe izy amin’io lafiny io satria efa an-taonany maro no nanaovany izany, nanomboka tamin’ireo ray aman-drenintsika voalohany, izay nampiasany ny heriny mamitaka nitaomana azy ireo tsy hatoky an’Andriamanitra. Raha vitany mantsy ny manakana ny fanahin’izy ireo tsy hankeo amin’Andriamanitra dia hahomby izy. Nahafinaritra an’i Adama sy i Eva izany ho tonga andriamanitra izany, koa resin’ny fakam-panahy izy ireo.

Nahatsapa toa nahazo tombony lehibe ny olombelonanoho ny fahalalana ny ratsy sy ny tsara, saingy tsy takany ny tanjon’i Satana. Tsy takany fa latsaka ao amin’ny fandriny izy rehefa manova ny lalàn’Andriamanitra. Fantatry ny fahavalo fa raha azo fehezina amin’ny alalan’ny fifanarahana ara-pôlitika ny Fiangonana dia azony taomina hiray amin’izao tontolo izao, ka amin’izany no hanekeny an’i Satana ho filohany, na dia tsy amin’ny fomba mivantana aza. Hanohitra ny fitondram-panjakan’ny lanitra ny fahefan’ireo didy noforonin’olombelona. (...)

Vokatry ny asa famitahana nataon’i Satana dia tratrany tao amin’ilay tontolo milaza ho Kristianina ilay tanjona nantenainy hotratrarina tany an-danitra, dia ny fanafoanana ny lalàn’i Jehôvah. Nezahiny noravana tamin’ny alalan’ny fahefana rômanina ilay tsangambato fahatsiarovan’Andriamanitra, ary ny azy manokana kosa no natsangany mba hampisaraka an’Andriamanitra amin’ny vahoakany. Efa nihataka tamin’Andriamanitra ny tontolo protestanta ankehitriny, tamin’ny nanekeny Sabata sandoka. Tsy misy na inona na inona ao amin’ny lalàna masina manamarina izany fomba fanao izany, na dia tendron-tsoratra iray aza; kanefa amin-kafanam-po no ilazany fa tokony hohadinoina, hatao tsinontsinona, hitsakitsahina, ilay tsangambato fahatsiarovan’ny Tompo nomena hatramin’ny Famoronana, ary ny andro voalohany amin’ny herinandro kosa no hasolo azy.

Tsy misy mandratra lalina ny fon’Andriamanitra toy ny manao tsinontsinona ny androny masina ka manolo izany amin’ny sabata sandoka, izay tsy ahitana mariky ny fahamasinana na kely aza. Nomen’Andriamanitra izao tontolo izao ny Sabata mba ho andro miavaka, hanomezam-boninahitra ny Anarany. (...) (Eks. 31:13,16). – ST, 22 Nôvambra 1899.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (74)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal