Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Divay sy rà.

Daty
Alarobia 28 May 2025

Vakio ny Sal. 75. Vakio koa ny Mat. 26:26-29 sy ny Apôk . 14:9-12. Inona no ambaran'io Salamo io momba ny lafin-javatra sasantsasany ao amin'ny fitsarana, ary ahoana no anampian'ireo toko sy andininy ambiny antsika hahatakatra ireo teboka ireo?

Nisy olona sasany nihevitra fa nohiraina taorian'ny fandringanana ireo tafik'i Sankeriba tamin'ny fomba mahagaga io Salamo io (2 Tant. 32; 2 Mpanj. 19) - tantara iray izay heverina fa manondro mialoha ny fandravana farany atao amin'ireo ratsy fanahy ao amin'ny Apôk. 20 izany. Tao anatin'ny Tanana Masina ireo vahoakan'Andriamanitra niaraka tamin'ny mpanjakany marina raha tonga ny tafiky ny ratsy ary nanodidina azy ireo; Andriamanitra mihitsy anefa no nandringana azy ireo tamin'ny farany.

Anisan'ny zavatra iray ahitsin'Andriamanitra ao amin'ny fitsarana ny fisandohana fahefana izay niseho teto amin'ity tontolontsika lavo ity. Tsy velona ho an'ny hafa na ho an'ny voninahitr'Andriamanitra intsony ny olombelona lavo fa velona ho an'ny tenany. Ankehitriny isika dia miaina miaraka amin'ireo vokatry ny safidy nataontsika ny hino fa tsy misy heviny na fitsipika ara-môraly mifehy izao tontolo rehetra izao. Nanamafy ilay filozofa antsoina hoe Friedrich Nietzsche fa raha misy heviny izao rehetra izao dia isika no tsy maintsy mamorona izany ho an'ny tenantsika ary manao toy ny hoe misy ho an'ny tombontsoantsika izao tontolo izao. Indro fa mitondra tena tahaka ny andriamanitra ny tsirairay.

(Tsy mahadiso ny mametraka izao fanontaniana izao: Nahomby teo amin'ny fiainan'i Nietzche ve izany filozófia izany? Azo lazaina fa tsy nahomby izany, raha ny marina. Lasa adala izy, ary nianjera teo amin'ny lalana iray tany Italie rehefa niezaka nanakana lehilahy iray tsy hikapoka soavaly iray. Taorian'izay, dia tsy afa-nihetsika sy very saina izy nandritra ny 11 taona ary maty tamin'ny taona 1900.)

Na ratsy manao ahoana aza ny olana, amin'ny maha-mpino antsika dia ampaha-tsiahivina isika mba hiaina ao anatin'ny fanantenana ary koa tsy hitsara ny hoavy araka ny toe-javatra miseho ankehitriny. Mora kivy isika rehefa mahita ireo andrin'ny sivilizasiona mikoro tsikelikely ao am-po sy ao an-tsain'ireo olona tsy araka an'Andriamanitra na ireo manana fiheverana tsy araka ny Baiboly momba an'Andriamanitra. Velona ao anatin'ny vanim-potoana izay amelezan'i Satana ny soatoavina ara-môraly isika, eny fa na ny zavatra tsotra indrindra tahaka ny maha-lahy na ny maha-vavy aza (farafahakeliny any amin'ny faritra sasany eto an-tany). Deraina sy ankasitrahana ampahibemaso ankehitriny ny faharatsiam-pitondrantena sasany, nefa zava-mahamenatra ho an'ny ankamaroan'ny olona na dia ny hiresaka izany any amin'ny takontakona aza. Tahaka izany ny fizotry ny toe-javatra ho amin'ny ratsy.

Na dia tokony hanao izay tandrify antsika aza isika mba hahatonga ny fiainan'ny hafa ho tsaratsara kokoa, nahoana no manan-danja mandrakariva ny fahatsiarovana fa tsy maintsy horavana tanteraka ity tontolo ity ary hamorona vaovao avy amin'izany Indray Andriamanitra vao hiverina amin'ny laoniny ny zavatra rehetra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal