Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Maneho fahitsiana amin'Andriamanitra sy amin'ny hafa.

Daty
Talata 03 June 2025

"Vato feno lanja sady marina ary famarana tonga ohatra sady marina no aoka hotananao, mba ho maro andro hianao any amin'ny tany izay omen'i Jehôvah Andriamanitrao anao." - Deo. 25:15.

Mofon’aina:
Mahasoa ny fanehoana fahitsiana manoloana ireo namanao sy eo anatrehan' Andriamanitra. Miankina amin'i Kristy ny fahasoavana rehetra azonao, ny hoavy, ny fiainana mandrakizay, ary tsy azonao atao ny hanao tsinontsinona ny valisoa homeny. Ireo izay mahatsapa ny fianteherany amin'Andriamanitra dia hahatsapa ny tokony hanehoany fahitsiana amin'ny hafa, ary ambonin'ny zavatra rehetra, tsy maintsy maneho fahitsiana amin'Andriamanitra izy ireo satria avy Aminy ny fitahiana rehetra eo amin'ny fiainana. Raketin'ny bokin'ny lanitra ho toy ny fandrobana an'Andriamanitra ny fidifiana ny baikony mikasika ny fanatitra sy ny ampahafolony. 

Tsy mety hahita fahombiazana marina izay tsy mahatoky eo anatrehan'Andriamanitra sy ny hafa. (...) Efa novidin'ny Tompo tamin'ny rany sarobidy isika, ary noho ny famindrampo sy ny fahasoavana no ahazoantsika manantena ny fanomezan-dehiben'ny famonjena. Omena baiko isika mba hanao ny marina, ho tia famindrampo ary hanaraka an' Andriamanitra amin'ny fanetren-tena. Izao anefa no ambaran'ny Tompo: "nefa Izaho no robainareo, dia izao hianareo rehetra iray firenena izao." - Mal. 3:9. Manamaivana ny fahefan'Andriamanitra isika no sady manao tsinontsinona ny nividianan' i Kristy antsika tamin'ny nanolorany ny ainy rehefa manao ny tsy marina amin'ny namantsika na amin'Andriamanitra. 

Mandroba an'Andriamanitra izao tontolo izao manontolo. Arakaraka ny anomezany harena ny olona no anambaran'izy ireo fa azy izany ka azony ampiasaina araka izay mahafinaritra azy. Kanefa moa ve ireo mitonona ho mpanara-dia an'i Kristy hanaraka ny fanaon'izao tontolo izao? Moa ve hafointsika ny fiadanam-po, ny firaisana amin'Andriamanitra sy ny firindram-piarahamonina amin'ireo rahalahy sy anabavintsika noho ny tsy fanokanantsika ho an'ny Asany ny ampahany izay ambarany fa Azy?

Aoka ireo izay mitonona ho Kristianina hahatsiaro fa renivola nankinin' Andriamanitra taminy no anaovany varotra ka takina ny hanarahany amim-pahatokiana ireo toromariky ny Soratra Masina mahakasika ny fitantanana izany. Raha marina eo anatrehan'Andriamanitra ny fonao, dia tsy horobainao ny fananan'Andriamanitra amin'ny fampiasanao izany mbahanatanterahana tetikasa manokana. - RH, 17 Desambra 1889.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal