Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Maneho fahitsiana amin'Andriamanitra sy amin'ny hafa.

Daty
Talata 03 June 2025

"Vato feno lanja sady marina ary famarana tonga ohatra sady marina no aoka hotananao, mba ho maro andro hianao any amin'ny tany izay omen'i Jehôvah Andriamanitrao anao." - Deo. 25:15.

Mofon’aina:
Mahasoa ny fanehoana fahitsiana manoloana ireo namanao sy eo anatrehan' Andriamanitra. Miankina amin'i Kristy ny fahasoavana rehetra azonao, ny hoavy, ny fiainana mandrakizay, ary tsy azonao atao ny hanao tsinontsinona ny valisoa homeny. Ireo izay mahatsapa ny fianteherany amin'Andriamanitra dia hahatsapa ny tokony hanehoany fahitsiana amin'ny hafa, ary ambonin'ny zavatra rehetra, tsy maintsy maneho fahitsiana amin'Andriamanitra izy ireo satria avy Aminy ny fitahiana rehetra eo amin'ny fiainana. Raketin'ny bokin'ny lanitra ho toy ny fandrobana an'Andriamanitra ny fidifiana ny baikony mikasika ny fanatitra sy ny ampahafolony. 

Tsy mety hahita fahombiazana marina izay tsy mahatoky eo anatrehan'Andriamanitra sy ny hafa. (...) Efa novidin'ny Tompo tamin'ny rany sarobidy isika, ary noho ny famindrampo sy ny fahasoavana no ahazoantsika manantena ny fanomezan-dehiben'ny famonjena. Omena baiko isika mba hanao ny marina, ho tia famindrampo ary hanaraka an' Andriamanitra amin'ny fanetren-tena. Izao anefa no ambaran'ny Tompo: "nefa Izaho no robainareo, dia izao hianareo rehetra iray firenena izao." - Mal. 3:9. Manamaivana ny fahefan'Andriamanitra isika no sady manao tsinontsinona ny nividianan' i Kristy antsika tamin'ny nanolorany ny ainy rehefa manao ny tsy marina amin'ny namantsika na amin'Andriamanitra. 

Mandroba an'Andriamanitra izao tontolo izao manontolo. Arakaraka ny anomezany harena ny olona no anambaran'izy ireo fa azy izany ka azony ampiasaina araka izay mahafinaritra azy. Kanefa moa ve ireo mitonona ho mpanara-dia an'i Kristy hanaraka ny fanaon'izao tontolo izao? Moa ve hafointsika ny fiadanam-po, ny firaisana amin'Andriamanitra sy ny firindram-piarahamonina amin'ireo rahalahy sy anabavintsika noho ny tsy fanokanantsika ho an'ny Asany ny ampahany izay ambarany fa Azy?

Aoka ireo izay mitonona ho Kristianina hahatsiaro fa renivola nankinin' Andriamanitra taminy no anaovany varotra ka takina ny hanarahany amim-pahatokiana ireo toromariky ny Soratra Masina mahakasika ny fitantanana izany. Raha marina eo anatrehan'Andriamanitra ny fonao, dia tsy horobainao ny fananan'Andriamanitra amin'ny fampiasanao izany mbahanatanterahana tetikasa manokana. - RH, 17 Desambra 1889.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal