Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Zahan-toetra amin'ny fisian'ny mahantra.

Daty
Zoma 06 June 2025

"Raha mijinja ny varinao any an-tsaha ianao, ka misy amboara hadinonao any, dia aza miverina haka azy; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany; mba hotahin'i Jehôvah Andriamanitrao ianao amin'ny asa rehetra ataon'ny tananao." - Deo. 24:19.

Mofon’aina: 
Naseho ahy fa ny fitondran' Andriamanitra no nahatonga ireo mpitondratena sy ny kamboty, ny jamba, (...) ary ireo azom-pahoriana amin'ny fomba samihafa, hanana fifandraisana kristianina ety dia ety amin'ny Fiangonany, mba hizahan-toetra ny vahoakany sy hamolavolana ny toetran'izy ireo. Manara-maso antsika ireo anjelin'i Jehôvah mba hahitany ny fomba fitondrantsika ireo olona mila firaisam-po sy fitiavana ary fahafoizan-tena tsy mitady tombony. (…)

Raha tena manaraka ny fivavahan'ny Baiboly isika dia hahatsapa fa manana trosan'ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy (...) tokony hefaina amin'i Kristy amin'ny alalan' ireo zanany. Ary ny kely indrindra tokony hasehontsika Aminy dia fankasitrahana noho ny fitiavany antsika tsy hay refesina fony mbola mpanota isika (...). 

Tao amin'ny fanoharana momba ny lehilahy iray niala tany Jerosalema hankany Jerikô, izay azon'ny jiolahy sy norobainy, nokapohiny ary nilaozany rehefa ho faty, no nanazavan'i Kristy tamin'ilay mpahay lalàna hoe iza no naman' ity farany.

Nahita io lehilahy io tao anatin'ny fanaintainana ny mpisorona sy ny Levita, saingy tsy nampihontsona ny fon'izy ireo ny zavatra nilain-dralehilahy. Nataon'izy ireo aza izay hidifiana azy ka nivily lalana izy. Nandalo teo amin'io lalana io ilay Samaritana, ary rehefa hitany fa nila fanampiana ity olona hafa firenena ity, dia tsy nanontany izy raha toa havany na mpiray firenena na iray finoana aminy ralehilahy, fa nanampy ilay nijaly izy satria izany no tokony natao. (...)

Nambaran'i Kristy fa io Samaritana io no naman' ilay lehilahy (...). Maneho sokajin'olona ao amin'ny fiangonana izay tsy miraika manoloana ireo mila firaisam-po sy fanampiana ilay Levita sy ny mpisorona. Mpandika lalàna ireo sokajin'olona ireo, na inona na inona andraikitra tanany ao amin'ny fiangonana. Ilay Samaritana kosa dia maneho sokajin'olona tena mpanampy marina an'i Kristy ary koa manaraka ny Ohatra nasehony eo amin'ny fanaovan-tsoa. - TFC, b. 3, U. 511, 512.  

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal