"Raha mijinja ny varinao any an-tsaha ianao, ka misy amboara hadinonao any, dia aza miverina haka azy; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany; mba hotahin'i Jehôvah Andriamanitrao ianao amin'ny asa rehetra ataon'ny tananao." - Deo. 24:19.
Mofon’aina:
Naseho ahy fa ny fitondran' Andriamanitra no nahatonga ireo mpitondratena sy ny kamboty, ny jamba, (...) ary ireo azom-pahoriana amin'ny fomba samihafa, hanana fifandraisana kristianina ety dia ety amin'ny Fiangonany, mba hizahan-toetra ny vahoakany sy hamolavolana ny toetran'izy ireo. Manara-maso antsika ireo anjelin'i Jehôvah mba hahitany ny fomba fitondrantsika ireo olona mila firaisam-po sy fitiavana ary fahafoizan-tena tsy mitady tombony. (…)
Raha tena manaraka ny fivavahan'ny Baiboly isika dia hahatsapa fa manana trosan'ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy (...) tokony hefaina amin'i Kristy amin'ny alalan' ireo zanany. Ary ny kely indrindra tokony hasehontsika Aminy dia fankasitrahana noho ny fitiavany antsika tsy hay refesina fony mbola mpanota isika (...).
Tao amin'ny fanoharana momba ny lehilahy iray niala tany Jerosalema hankany Jerikô, izay azon'ny jiolahy sy norobainy, nokapohiny ary nilaozany rehefa ho faty, no nanazavan'i Kristy tamin'ilay mpahay lalàna hoe iza no naman' ity farany.
Nahita io lehilahy io tao anatin'ny fanaintainana ny mpisorona sy ny Levita, saingy tsy nampihontsona ny fon'izy ireo ny zavatra nilain-dralehilahy. Nataon'izy ireo aza izay hidifiana azy ka nivily lalana izy. Nandalo teo amin'io lalana io ilay Samaritana, ary rehefa hitany fa nila fanampiana ity olona hafa firenena ity, dia tsy nanontany izy raha toa havany na mpiray firenena na iray finoana aminy ralehilahy, fa nanampy ilay nijaly izy satria izany no tokony natao. (...)
Nambaran'i Kristy fa io Samaritana io no naman' ilay lehilahy (...). Maneho sokajin'olona ao amin'ny fiangonana izay tsy miraika manoloana ireo mila firaisam-po sy fanampiana ilay Levita sy ny mpisorona. Mpandika lalàna ireo sokajin'olona ireo, na inona na inona andraikitra tanany ao amin'ny fiangonana. Ilay Samaritana kosa dia maneho sokajin'olona tena mpanampy marina an'i Kristy ary koa manaraka ny Ohatra nasehony eo amin'ny fanaovan-tsoa. - TFC, b. 3, U. 511, 512.