Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny lalàna volamenan' ny fandraharahana

Daty
Sabotsy 07 June 2025

 "Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po ary ny hanaraka an 'Andriamanitrao amin 'ny fanetren-tena." - Mika 6:8.

Mofon’aina:
Ahitana kilema sy fironan'ny fo tsy voaova eo amin'ireo L. lalàn'ny firenena; mitondra ny tombokasen'ny lanitra kosa ny lalàn'Andriamanitra, ary raha ankatoavina izany dia hitarika ho amin'ny fiheverana feno halemem-panahy momba ny zon'ny hafa sy ny tombontsoany. (... ) Mihevitra izay rehetra mahasoa ny zanany Izy, ary nambarany fa Izy no hiaro ireo ampahorina sy mijaly. "Raha mitaraina amiko izy, dia hohenoiko, fa mamindra fo Aho" hoy Izy (Eks. 22:26). 

Mety ho mpanasoa ny mahantra ny mpanankarena iray raha toa manana fahitsiana hentitra ary koa fia sy matahotra an'Andriamanitra. Azony atao ny manampy azy ireny ary tsy maka tombony [amin'ny vola nampindraminyj mihoatra noho izay tokony hotakiny, ary hanao izany amim-pamindrampo. (...) Tsy tokony ho very eo imasontsika na dia minitra fohy aza eo amin'ny fandraharahana rehetra ataontsika ireo fitsipika volamena. (...) Tsy ao anatin'ny fikasan'Andriamanitra velively ny hanararaotana ny hafa. Saro-piaro tokoa Izy amin'ny fiarovana ny zon'ireo zanany(...).

Fanamelohana mahatahotra no tononin'ny Soratra Masina manoloana ny fahotan'ny fieremana. "(...) Tsy manana lova eo amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra (...) ny olona mierina (mpanompo sampy izany)" - Efes. 5:5. (...) Ampilaharin' i Paoly amin'ny mpanompo sampy sy ny mpijangajanga, ny mpangalatra, ny mpimamo, ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny ny mpierina; tsy misy na dia iray aza amin'ireo handova ny fanjakan'Andriamanitra. (...) Aoka tsy hataontsika ho môdely ny fitsipik'izao tontolo izao sy ny fomba fanaony. Tsy maintsy manao fanavaozana isika, ary tsy maintsy ariana lavitra ny tsy fahamarinana rehetra. 

(...) Ny Tenin'Andriamanitra iray manontolo no fitsipika mifehy ny asantsika. ( ...) Tsy misy famantarana ny fivavahana kristianina azo antoka mihoatra noho izany. (...) Tsy maintsy mikolokolo ireo toetra tsara ireo isan'andro isika satria izany no manomana antsika ho amin'ny fiarahamonin'ny lanitra. Raha manao izany isika, dia Andriamanitra no ho arontsika, ary mampanantena Izy fa hitahy izay rehetra ataontsika, ary tsy mba "hangozohozo" isika. - ST, 7 Febroary 1884.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal