Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny lalàna volamenan' ny fandraharahana

Daty
Sabotsy 07 June 2025

 "Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po ary ny hanaraka an 'Andriamanitrao amin 'ny fanetren-tena." - Mika 6:8.

Mofon’aina:
Ahitana kilema sy fironan'ny fo tsy voaova eo amin'ireo L. lalàn'ny firenena; mitondra ny tombokasen'ny lanitra kosa ny lalàn'Andriamanitra, ary raha ankatoavina izany dia hitarika ho amin'ny fiheverana feno halemem-panahy momba ny zon'ny hafa sy ny tombontsoany. (... ) Mihevitra izay rehetra mahasoa ny zanany Izy, ary nambarany fa Izy no hiaro ireo ampahorina sy mijaly. "Raha mitaraina amiko izy, dia hohenoiko, fa mamindra fo Aho" hoy Izy (Eks. 22:26). 

Mety ho mpanasoa ny mahantra ny mpanankarena iray raha toa manana fahitsiana hentitra ary koa fia sy matahotra an'Andriamanitra. Azony atao ny manampy azy ireny ary tsy maka tombony [amin'ny vola nampindraminyj mihoatra noho izay tokony hotakiny, ary hanao izany amim-pamindrampo. (...) Tsy tokony ho very eo imasontsika na dia minitra fohy aza eo amin'ny fandraharahana rehetra ataontsika ireo fitsipika volamena. (...) Tsy ao anatin'ny fikasan'Andriamanitra velively ny hanararaotana ny hafa. Saro-piaro tokoa Izy amin'ny fiarovana ny zon'ireo zanany(...).

Fanamelohana mahatahotra no tononin'ny Soratra Masina manoloana ny fahotan'ny fieremana. "(...) Tsy manana lova eo amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra (...) ny olona mierina (mpanompo sampy izany)" - Efes. 5:5. (...) Ampilaharin' i Paoly amin'ny mpanompo sampy sy ny mpijangajanga, ny mpangalatra, ny mpimamo, ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny ny mpierina; tsy misy na dia iray aza amin'ireo handova ny fanjakan'Andriamanitra. (...) Aoka tsy hataontsika ho môdely ny fitsipik'izao tontolo izao sy ny fomba fanaony. Tsy maintsy manao fanavaozana isika, ary tsy maintsy ariana lavitra ny tsy fahamarinana rehetra. 

(...) Ny Tenin'Andriamanitra iray manontolo no fitsipika mifehy ny asantsika. ( ...) Tsy misy famantarana ny fivavahana kristianina azo antoka mihoatra noho izany. (...) Tsy maintsy mikolokolo ireo toetra tsara ireo isan'andro isika satria izany no manomana antsika ho amin'ny fiarahamonin'ny lanitra. Raha manao izany isika, dia Andriamanitra no ho arontsika, ary mampanantena Izy fa hitahy izay rehetra ataontsika, ary tsy mba "hangozohozo" isika. - ST, 7 Febroary 1884.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal