Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fitsipi-pandraharahana maneho ny toetrantsika.

Daty
Alarobia 11 June 2025

 "Mety madio va aho, raha manana mizana mandainga sy kitapo misy vato tsy marina?" - Mika 6:11.

Mofon’aina:
Ny olona mahitsy fo, araka ny famaran'i Kristy, dia izay haneho fahitsiana tsy azo hozongozonina. Fahavetavetana eo imason'Andriamanitra ny mizana mandainga (...) izay ampiasain'ny maro mba hampitomboana ny tombony azony eto amin'izao tontolo izao. Maro amin'ireo izay milaza fa mitandrina ny didin'Andriamanitra anefa no mampiasa mizana mandainga sy vato tsy marina. Raha manana firaisana tena izy amin'Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy, ary koa mitandrina ny lalàn'ny fahamarinany, dia hiseho eo amin'ny fiainany izany, satria hifandrindra amin'ny fampianaran'i Kristy ny asany rehetra. Tsy hanakalo ny fahamendrehany amin'ny tombon-tsoa izy ireo. Fanorenana azo antoka no iorenan'ny fitsipi-piainany, ary maneho izany fitsipi-piainany izany ny fitondrantenany eo amin'ny raharahan'izao tontolo izao. 

Mamirapiratra tahaka ny volamena eo anivon'ny fako sy ny fahalotoana eto amin'izao tontolo izao ny fahitsiana tsy azo hozongozonina. Mety ho sarontsarona sy hiafina eo imason'ny olombelona ny fitaka sy ny hosoka ary ny tsy fahatokiana, saingy tsy miafina amin'Andriamanitra izany. Raketin'ny anjelin'i Jehôvah , izay manara-maso ny fitomboan'ny toetra sy manombana ny tombambidy ara-môraly, ao amin'ny bokin'ny lanitra ireny fandraharahana madinika izay maneho ny toetra ireny. Raha toa ny mpiasa tsy mahatoky eo amin'ny asa fanaony andavanandro ka manao tsinontsinona ny asany, dia tsy diso izao tontolo izao raha mitsara azy ka manombana ny fitsipi-piainany ara-pivavahana amin'ny alalan'ny fomba fanatanterahany ny asany.

"Ary izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amin'ny be; ary izay tsy marina amin 'ny kely indrindra dia tsy marina koa amin'ny be." - Lio. 16:10. Tsy ny haben'ny toe-javatra no mamaritra ny maha-rariny na tsy rariny izany. Tahaka ny fitondrantenan'ny lehilahy sy ny vehivavy manoloana ny namany ihany ny fitondrantenany manoloana an'Andriamanitra. Tsy hanankinana na oviana na oviana ny tena harena ireo izay tsy mahatoky ao amin'ny mamônan'ny tsy fahamarinana. Aoka hotsarovan'ny zanak'Andriamanitra fa zahan-toetra izy ireo eo amin'ny fandraharahana rehetra ataony, ary lanjaina amin'ny mizanan'ny fitoerana masina. - TFC, b. 4, tt. 310,311.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.
Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sun 20 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Jehôvah sa ireo andriamani-kafa?
Mon 21 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?
Tue 22 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.
Wed 23 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Lalitra, biby fiompy ary vay.
Thu 24 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.
Fri 25 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal