Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Na dia ny fahotana "bitika" aza.

Daty
Alakamisy 12 June 2025

 "Ny fahitsian'ny mahitsy no mitarika azy; fa ny faharatsian'ny mpivadika mahatonga fandringanana amin'ny tenany." - Ohab. 11:3.

Mofon’aina:
Hoy i Kristy: "Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara." - Mat. 7:18. "Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy." - and. 20. Ny asa miseho eo amin'ny fiainan'ny olona no voa entiny. Raha toa izy ireo tsy mahatoky sy tsy manana fahitsiana eo amin'ny " raharaha eto an-tany, dia (...) haneho tsy fahatokiana izy eo amin'ny fiainana ara-pivavahana ary handroba an'Andriamanitra amin'ny fanatitra sy ny ampahafolony".

Melohin'ny Baiboly amin'ny fomba hentitra indrindra ny lainga sy ny famitahana ary ny tsy fahatokiana. Efa ambara amintsika mazava ny marina sy ny diso. (...) Heverina ho tsy dia fahotana be loatra ny fialana kely amin'ny fahamarinana, ny fiovana kely amin'ny fitakian'Andriamanitra, raha miresaka momba ny fahazoana tombony na ny fatiantoka ara-bola. Rehefa fahotana dia fahotana, na ataon'ny mpanam-bola an-tapitrisany izany na ataon'ny mpangataka eny amoron-dalana. Mahatonga fanamelohana ho an'ny fanahiny ireo izay mihary fananana amin'ny alalan'ny fisolokiana. Izay rehetra azo amin'ny hafetsena sy ny fitaka dia ozona ho an'ny mandray azy. 

Nizaka ny vokatry mahatsiravin'ny fandikana ny baiko mazava nomen'Andriamanitra i Adama sy i Eva. Izao angamba no tao an-tsain'izy ireo: fahotana bitika ity ka tsy hampaninona. Faharatsiana lehibe anefa no nandraisan'Andriamanitra izany, ary hiitatra hatrany amin'ny taona rehetra mifandimby ny loza nateraky ny fandikany lalàna. Amin' izao androntsika izao, dia halatra sy hosoka isan-karazany no hita eo amin'ny sehatry ny fandraharahana, ary ireo mitonona ho vahoakan'Andriamanitra no manao izany ka miantso ny faninian'Andriamanitra sy mahatonga fahafaham-baraka amin'ny Asany. (...)

Mahatonga ny olona hanana fahazarana manao ratsy ny fampanaranam-po mitohy ny fahotana (...). Raha mandinika amim-pahatokiana ny Tenin'Andriamanitra ireo rehetra milaza fa mino ny fahamarinana, dia hitombo fa tsy ho zeny eo amin'ny ara-panahy. Ireo izay manao tsinontsinona ny fitakian'Andriamanitra eto amin' izao fiainana izao dia tsy hanaja ny Fahefany raha toa tonga any an-danitra. - TFC, b. 4, tt. 311,312.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.
Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sun 20 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Jehôvah sa ireo andriamani-kafa?
Mon 21 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?
Tue 22 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.
Wed 23 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Lalitra, biby fiompy ary vay.
Thu 24 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.
Fri 25 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal