Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Na dia ny fahotana "bitika" aza.

Daty
Alakamisy 12 June 2025

 "Ny fahitsian'ny mahitsy no mitarika azy; fa ny faharatsian'ny mpivadika mahatonga fandringanana amin'ny tenany." - Ohab. 11:3.

Mofon’aina:
Hoy i Kristy: "Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara." - Mat. 7:18. "Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy." - and. 20. Ny asa miseho eo amin'ny fiainan'ny olona no voa entiny. Raha toa izy ireo tsy mahatoky sy tsy manana fahitsiana eo amin'ny " raharaha eto an-tany, dia (...) haneho tsy fahatokiana izy eo amin'ny fiainana ara-pivavahana ary handroba an'Andriamanitra amin'ny fanatitra sy ny ampahafolony".

Melohin'ny Baiboly amin'ny fomba hentitra indrindra ny lainga sy ny famitahana ary ny tsy fahatokiana. Efa ambara amintsika mazava ny marina sy ny diso. (...) Heverina ho tsy dia fahotana be loatra ny fialana kely amin'ny fahamarinana, ny fiovana kely amin'ny fitakian'Andriamanitra, raha miresaka momba ny fahazoana tombony na ny fatiantoka ara-bola. Rehefa fahotana dia fahotana, na ataon'ny mpanam-bola an-tapitrisany izany na ataon'ny mpangataka eny amoron-dalana. Mahatonga fanamelohana ho an'ny fanahiny ireo izay mihary fananana amin'ny alalan'ny fisolokiana. Izay rehetra azo amin'ny hafetsena sy ny fitaka dia ozona ho an'ny mandray azy. 

Nizaka ny vokatry mahatsiravin'ny fandikana ny baiko mazava nomen'Andriamanitra i Adama sy i Eva. Izao angamba no tao an-tsain'izy ireo: fahotana bitika ity ka tsy hampaninona. Faharatsiana lehibe anefa no nandraisan'Andriamanitra izany, ary hiitatra hatrany amin'ny taona rehetra mifandimby ny loza nateraky ny fandikany lalàna. Amin' izao androntsika izao, dia halatra sy hosoka isan-karazany no hita eo amin'ny sehatry ny fandraharahana, ary ireo mitonona ho vahoakan'Andriamanitra no manao izany ka miantso ny faninian'Andriamanitra sy mahatonga fahafaham-baraka amin'ny Asany. (...)

Mahatonga ny olona hanana fahazarana manao ratsy ny fampanaranam-po mitohy ny fahotana (...). Raha mandinika amim-pahatokiana ny Tenin'Andriamanitra ireo rehetra milaza fa mino ny fahamarinana, dia hitombo fa tsy ho zeny eo amin'ny ara-panahy. Ireo izay manao tsinontsinona ny fitakian'Andriamanitra eto amin' izao fiainana izao dia tsy hanaja ny Fahefany raha toa tonga any an-danitra. - TFC, b. 4, tt. 311,312.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal