"Satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan'ny ratsy fanahy. (...) Mandra-pidi tro tao amin'ny fitoera-masin 'Andriamanitra ka nihevitra izay ho farany." - Sal. 73 :3,17.
Mofon’aina:
Ny dingana voalohany indrindra eo amin'ny lalan'ny fiainana dia ny fibanjinana an'Andriamanitra sy ny fahatahorana Azy mandrakariva. Manadombo ny feon'ny fieritreretana ny fiviliana indray mandeha amin'ny fahitsiana ara-pitondrantena, ary manokatra varavarana hidiran'ny fakam-panahy hafa indray. (...)
Asaina mitia an'Andriamanitra amin'ny fitiavana ambony indrindra isika ary koa mitia ny namantsika tahaka ny tenantsika; asehon'ny fanandramana andavanandro anefa ny fanaovan-tsinontsinona izany lalàna izany. Ny fahamarinana eo amin'ny raharaha sy ny fahitsiam-pitondrantena no hahazoana sitraka eo imason'Andriamanitra ary koa mahatonga ny lehilahy sy ny vehivavy ho fitahiana ho an'ny tenany sy ho an'ny fiarahamonina. Eo anivon'ireo fakam-panahy samihafa izay mamely azy (...) anefa, dia toa tsy azo heverina ny hihazonana ny fieritreretana hadio sy ny hahazoana ny fankasitrahan'ny lanitra, raha tsy eo ny fanampian'Andriamanitra sy ny fitsipi-piaina hitia ny fahatokiana noho ny amin'ny fahitsiana.
Tokony ho tiana mihoatra noho ny harena ny toetra ankasitrahan'Andriamanitra sy ny olona. Tokony hivelatra sy ho lalàna tsara ny fototra, izay miorina eo amin'i Jesôsy Kristy vatolampy. (...)
Maro no milaza fa ho tojo fatiantoka izy ireo raha tsy kinga sy mijery izay mety ho tombontsoany. Manan-karena ireo namany tsy mahatoky, izay maka tombony feno fitiavan-tena; izy ireo kosa, na dia miezaka hanaraka amin'ny fomba hentitra ny fitsipiky ny Baiboly aza, dia tsy mahazo tombony betsaka tahaka izany. Moa mahita ny hoavy ireo olona ireo? Sa manjavozavo loatra ny masony vokatry ny (...) fitiavana ny zavatr'izao tontolo izao, ka tsy hitany fa tsy eto amin'ity tontolo ity no hahazoana ny valisoan'ny fahitsiana sy ny fahamendrehana? Etsy ankilan'izany, tsy misy intsony ny toerana ho an'ny fahamendrehana sy ny fahatokiana eo amin' izany tontolo izany. Moa ve ny fahombiazana araka izao tontolo izao ihany no ataon'Andriamanitra valisoan'ny fahitsiana? Efa vita tombo-kavatsa eo am-pelatanany ny anaran'izy ireo, toy ny mpandova voninahitra maharitra sy harena tsy mety lo. - SDABC, b. 3, t. 1158.