Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mifidy ny andaniny na ny ankilany.

Daty
Alatsinainy 16 June 2025

"Aza mamily ny rariny izay ananan’ny malahelo ao aminao, raha manana ady izy. Manalavira izay teny lainga, ary aza mamono izay tsy manan-tsiny sy izay marina ianao; fa tsy hanamarina ny meloka Aho." - Eks. 23:6,7.

Mofon’aina:
Manonona loza ho an'ireo rehetra mandika ny lalàn'Andriamanitra i Kristy. Nanonona loza ho an'ireo mpahay lalana tamin'ny androny Izy noho ny fampiasan'izy ireo ny fahefany hampahoriana ireo niandrandra rariny sy fitsarana avy taminy. Ny vokatra mahatsiravin'ny fahotana dia ho tonga amin'ireo izay mety ho marnbran'ny fiangonana nefa manao ho zava-maivamaivana ny fanilihana ny latàn'i Jehovah ary koa tsy manavaka ny tsara sy ny ratsy. 

Hitako tao amin'ny fahitana nasehon'ny Tompo ahy ireo izay mandeha araka ny faniriany manokana, nanova ny hevitry ny fahamarinana, nampahory ny rahalahiny sy nitondra olana ho azy ireo. Efa mihatsara izao ny toetran'izy ireo, ary maro no mifidy izay iandaniany, ny sasany eo amin'ny laharan'i Jesosy Kristy Tompo ary ny sasany miaraka amin'i Satana sy ireo anj el iny. Miantso izay rehetra mahatoky sy mpankatô ny Lalàny Andriamanitra mba handositra ny fifandraisana rehetra amin'ireo izay miandany amin'ilay fahavalo. Izao mantsy no voasoratra eo anilan'ny anaran'izy ireny: "Tekela, efa voalanja tamin'nv mizana ianao ka, indro, latsa-danja" - Dan. 5:27.

Marobe ny lehilahy sy ny vehivavy izay toa tsara fitondrantena nefa tsy Kristianina. Voafitaka izy ireo eo amin'ny fanombanany ny atao hoe "tena Kristianina". Manana toetra toy ny tain-drendrika izay manimba ny tombambidin'ny volamena izy ka tsy azo apetraka aminy ny tombokasen'ny fankatoavan'ny lanitra. Tsy maintsy ariana tahaka ny vy tsy madio no sady tsy manana tombambidy izy ireny.

Tsy haintsika amin'ny herintsika samirery ny hanatratra toetra ara-môraly tonga lafatra, nefa azontsika atao ny mandray ny fahamarinan'i Kristy. Afaka hanana anjara amin'ny toetran'Andriamanitra isika ary handositra ny fahalovana misy eto amin'izao tontolo izao noho ny fieremana. Efa naneho môdely tonga lafatra hotahafintsika i Kristy mba hahitantsika izay tokony ho toetry ny zanakalahy sy ny zanakavavin' Andriamanitra. TDG, 222. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal