Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fitantanam-bola ankasitrahan’Andriamanitra.

Daty
Talata 17 June 2025

"Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra. Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao." - Mat. 6:20,21.

Mofon’aina: 
Ray sy reny marobe no mahantra eo anivon'ny harena. Ataony tsirambina izay tokony hahasoa azy, ary matetika izy no mandà tsy hanana izay ilainy sy ahitana fifaliana eo amin'ny fiainana ary hahazoana fahasalamana, na dia betsaka aza ny fahafaha-manao eo am-pelatanany. Mahatsiaro ho voarara tsy hampiasa ny fananany ho amin'izay mahasoa azy na koa ho amin'ny asa fiantrana izy ireo. Tanjona iray ihany no tena imasoany: ny hanangona fananana havela ho an'ny zanany. 

Mibahan-toerana tokoa izany fiheverana izany, ary raiki-tampisaka eo amin'ny asany rehetra, ka manjary miandry fatratra ny fotoana hanomezany azy ny hareny ny zanany. Miantehitra amin'izany izy ireo, ary misy fiantraikany manan-danja nefa tsy mahasoa eo amin'ny toetrany izany fiheverana izany. Manjary mpandanilany foana ireo zanaka, ny sasany indray tonga tia tena sy mahihitra, ary ny hafa tonga kamo sy tsy mandray andraikitra. (...) Voasokitra ao amin'ny rafi-toetra ireo fiheverana voaray tany amin'ny fahazazana sy ny fahatanorana ary tonga fitsipika mifehy ny asa eo amin'ny fiainana maha-olon-dehibe. (...)

Mazava ny fanambaran 'ny Tenin'Andriamanitra mikasika ny vola nampindramina ny mpitantam-pananana, ary mazava koany fananarana sy ny fampitandremana nataony (...) mahakasika ny fomba fitantanana ny harena. Eo anatrehan'izany anefa, dia mandray andraikitra mahatahotra ny zanaka raha toa manery mivantana na ankolaka ny ray aman-dreniny mba hizara ny fananany amin'ny fahavelony na hanao didim-pananana izay manolotra izany ho eo an-tanan'ireo zanaka aorian'ny fahafatesany.

Ny zanaky ny ray sy reny efa nahazo taona, izay mitonona ho mpino ny fahamarinana, dia tokony hanoro hevitra sy hiangavy ny ray aman-dreniny mba ho mahatoky amin'ny finoany ka hampiasa ny hareny araka izay ankasitrahan'Andriamanitra. Tokony hihary harena ho an'ny tenany any an-danitra ireo ray aman-dreny ka hanokana ny hareny ho amin'ny fampandrosoana ny asan'Andriamanitra. Aoka izy ireo tsy handroba an'Andriamanitra amin'ny famelana harena fanampiny ho an'ireo efa manana ny ampy (...). - TFC, b. 3, tt. 119,120. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.
Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sun 20 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Jehôvah sa ireo andriamani-kafa?
Mon 21 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?
Tue 22 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.
Wed 23 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Lalitra, biby fiompy ary vay.
Thu 24 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.
Fri 25 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal