Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahafoy tombotsoa mba hambaboana fanahy maro

Daty
Alarobia 18 June 2025

«Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin'inona na amin'inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo. Mahay  nv zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy.» - Fil. 4:12,13.

Mofon’aina: 
Nandritra ny fotoana rehetra no nitadiavan'i Satana hanakan-tsakana ny ezaka ataon'ny mpanompon'Andriamanitra, ka nam-pidirany toe-tsaina kirina amin'ny heviny. Toy izany (...) hatratnin'ny andron'ny Reformasiona notontosain'i Wycleff sy i Lotera, ary ny maro hafa koa, izay fitahiana ho an'izao tontolo izao noho ny herim-pinoany. Nifanehatra mandrakariva tamin'ny hafetsen'ny fahavalo izay nitarika ny olona ho amin'ny zotom-po tafahoatra sy tsy voalanjalanja satria nentanin'ny saina tsy manana fahamasinana izy ireo. Misy olona sasany, diso fihevitra ka nampianatra fa, mba hahatrarana ny tena fahamasinana, dia tsy tokony hiraharaha mihitsy ny momba ny eto an-tany ny saina, hany ka nahatonga ny olona nandray izany fampianarana izany tsy hiasa intsony. Misy koa aza olona izay sodokan'ny teny sasany ao amin'ny Soratra Masina, ka nampianatra fa tena fahotana mihitsy ny miasa, ka ny Kristianina, hono, dia tsy tokony hihevitra ny hikatsaka fiadanana eto an-tany, na ho an'ny tenany, na ho an'ny ankohonany, fa nanokana ny fiainany manontolo kosa ho amin'ny zavatra ara-panahy. Nanohitra izany ny fampianarana sy ny ohatra nasehon'ny apostoly Paoly. (...)

Raha namangy voalohany an'i Korinto ny apostoly Paoly dia tafalatsaka teo anivon'ny vahiny izay nanana firehan-tsaina hafahafa. Mpandraharaha kinga tokoa ireo Grika nipetraka teo amoron-dranomasina. Efa ela no nanazarany tena hanao raharaham-barotram ah om b y, ka nanj ary nino izy fa araka an'Andriamanitra ny fahazoana tombony; ary mba hahazoana vola, lion°, dia samy azo atao avokoa, na ny mitady izany amim-pahamarinana, na ny mampiasa fisolokiana. Nampahafantarina an' i Paoly izany toe-tsainy izany, ka dia nataony izay tsy hiheveran'ireo azy ho nanao ny fitoriana ny filazantsara hahazoana harena ho an'ny tenany. Rariny ny nampirisihany ny Korintiana hanohana azy; kanefa vonona ny tsy hanao izany fitakiana izany izy, mba tsy homen-tsiny ny asa nikelezany aina sy ny fahombiazana azony teo amin'ny fitoriana ny filazantsara, ka tsy hiheveran'ny sasany fa ny hahazoana tombontsoa ho an' ny tenany no nitoriany ny filazantsara. (...) — VM, tt. 304-306. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal