Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aoka ny kristianina hahitsy mandrakariva

Daty
Zoma 20 June 2025

"Ary hoy Jesosy taminy: Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan'ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin 'ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan 'Andriamanitra." Lio. 16:15.

Mofon’aina:
Tokony hazonina eo amin'ny lafim-piainana rehetra ny fitsipika hentitry ny fahatokiana. Tsy ireo no fitsipika mifehy ity tontolontsika ity, satria i Satana — ilay mpamitaka sy mpandainga ary mpampahory - no tompony, ary manaraka azy sy manatanteraka ny fikasany ireo mpanompony. Tompo hafa kosa no tompoin'ny Kristianina, ary ao amin'Andriamanitra no tsy maintsy anatanterahany ny asany (...). 

Mety ho zava-madinika no fahitan' ny olona sasany ny fiviliana kely amin 'ny fahitsiana tanteraka eo amin'ny fandraharahana, saingy tsy tahaka izany ny fijerin 'ny Mpamonjintsika. Miavaka tsara sy mazava ny teniny momba izany: "Ary izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amitz'ny be" -Lio. 16:10. (...)

 Mahatahotra tokoa ny fahabetsahan' ny fanambakana miseho eo amin'ny tontolo kristianina ankehitriny. (...) Ny fomba fanao tsy mahatoky izay manimba ny fifandraisan'ny lehilahy sy ny v ehivavy amin' ireo olombelona namany dia tsy tokony hataon'ireo mitonona ho mpino ny fahamarinana ankehitriny na oviana na oviana. Mampidi-doza lehibe amin'ny fahamarinana ny vahoakan'Andriamanitra rehefa miala kely amin'ny lalan'ny fahitsiana.

Mety tsy ho tsara ny fisehoana ivelan'ny olona sasany, mety hanana kilema amin'ny lafiny maro izy, saingy hohajain'ny olona izy raha toa tsara laza amin'ny fananana fahitsiana mafy orina. (...) Hahazo ny fitokisan' ny rehetra ireo izay mijoro amin'ny fahamarinana ka tsy azo hozongozonina. Tsy ireo mpino namany ihany no hatoky azy fa na ireo tsy mpino koa aza dia voatery hiaiky ny maha-olo-mendrika azy. - MCP, b. 2, t. 437. 

Tsy maintsy mifandray amin'izao tontolo izao ireo mpanompon' Andriamanitra noho ny fandraharahana ataony, saingy tokony hotsarovany eo am-pividianana sy eo am-pivarotana fa manara-maso azy Andriamanitra. Aoka izy tsy hampiasa mizana mandainga na ny vato samy hafa, satria fahavetavetana eo imason'i Jehovah izany [Ohab. 20:23]. Aoka ho araka izay iriny hosainin'ny mpianakavin'ny finoana momba azy ny Kristianina eo amin'ny raharaham-barotra rehetra ataony, ary aoka ny asany rehetra hofehezin'ny fitsipika mazava. Tsy manao teti-dratsy izy ka tsy manan-javatra hafenina na hosarontsaronana. - MCP, b. 2, tt. 437,438.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal