Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

I Kristy no tahafo fa tsy izao tontolo izao.

Daty
Alahady 22 June 2025

"Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin'ny alahelo be." - 1 Tim. 6:10.

Mofon’aina:
aseho ahy fa tandindomin-doza lehibe ny vahoakan'Andriamanitra, satria maro amin'izy ireo no mponin'ny tany ka eto amin'izao tontolo izao no ifantohan'ny fisainany sy ny fitiavany. (...)Arakaraka ny fahazavana sy ny fahasoavana ary ny fanomezana nomena antsika ny andraikitra ankinina amintsika. Ireo mpiasa izay manana talenta sy harena ary tombontsoa sy fahaiza-manao betsaka indrindra no iankinan'ny andraikitra mavesatra indrindra. (...)

Nolazaina tamiko ny momba ny anadahy izay ao anatin' izany sokajin'olona izany. Nahaliana azy ireo mandrakariva rehefa mety ho tombontsoa araka izao tontolo izao na dia izay bitika indrindra aza. Ny fahaiza-mivarotra sy ny fampiasam-bola mahomby, amin'ny alalan'ny fifampiraharahana amin'ny vola madinika indrindra, no nanangonan' izy ireo harena. Tamin'ny fanaovana izany anefa no nampianarany fahaiza-manao izay tsy mifanaraka amin'ny fitomboan'ny toetra kristianina (...) satria tiany lavitra noho Andriamanitra sy ny fahamarinana izao tontolo izao sy ny tombontsoany. (...)

An' Andriamanitra avokoa ny fahaiza-manao ananan'ny lehilahy sy ny vehivavy. Rarany tanteraka ao amin'ny Teniny ny fanahafana sy ny fitiavana an' izao tontolo izao. (...) Ireo izay manam-pikasana hanangona ireo haren'izao tontolo izao dia "latsaka amin'ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin'ny fandringanana sy ny fahaverezana. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin 'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin 'ny alahelo be." - 1 Tim. 6:9,10. (...)

I Jesosy dia efa nanokatra lalana mba hahazoan'ny olona rehetra fahendrena sy fahasoavana ary hery. Izy no Ohatra ho antsika amin'ny zavatra rehetra, ary tsy misy na inona na inona tokony hamily ny saina tsy hifantoka amin'ny tanjona manan-danjan'ny fiainana, dia ny hananana an'i Kristy ao amin'ny fanahy, ka hampiempo sy hampilefitra ny fo (...). - TFC, b. 5, tt. 277,278. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.
Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sun 20 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Jehôvah sa ireo andriamani-kafa?
Mon 21 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?
Tue 22 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.
Wed 23 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Lalitra, biby fiompy ary vay.
Thu 24 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.
Fri 25 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal