Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mikatsaka ny fahendren’ny lanitra eo amin’ny fitantanam-bola.

Daty
Alarobia 25 June 2025

 "Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin'ny fifalian'ny tomponao." - Mat. 25:21.

Mofon’aina:
Mitana andraikitra manan-danja ny anadahy , nefa raha maneho fahatokiana aminy ireo fianakavian'ny vadiny, dia hampiasa hery miasa mangina hahatonga azy ho mpitantana feno fahendrena ny fananan'ny Tompo. (…) Tsy handray anjara amin'ny tetikasa tsy ara-dalàna mba hahazoam-bola izy fa hiasa ka tsy hikendry afa-tsy ny hahazoan'Andriamanitra voninahitra. Tsy hataony ireo hafetsena madinidinika sy ireo fomba fanao tsy mahatoky sy feno fitiavan-tena, ary tsy hanao na inona na inona mety hanimba ny fikolokoloana ny tena fitiavam-bavaka marina izy. Ho tsapany fa misy ifandraisany amin'Andriamanitra ny fifampiraharahana ara-barotra rehetra ataony.

(...) Takin'ny Baiboly ny hanaovan'ny olona ny fifanakalozam-barony sy ny raharahany rehetra amin'ny fahatsapana ny andraikiny ara-pivavahana tahaka izay ataony rehefa mitondra ny fangatahany hery sy fahasoavana amin'ny Rainy izay any an-danitra. Tsy misy nomen'Andriamanitra fahalalahana hanao izay tiany amin'ny fananany, sy hanaraka ny fihetsehampony na koa izay takin'ny namana. Tsy azy ny vola tantanany ka tsy tokony holanilaniny foana, satria misy asa tokony hatao ao amin'ny tanimboaloboky ny Tompo ary mitaky fampiasam-bola izany asa izany. 

Izao no fotoana anankinana asa amintsika amim-pitokiana, ary tsy mbola tonga ny andron'ny fampamoahana. Nanankina harena mba hampiasain'ireo mpitantam-pananany amim-pahendrena ny Tompo satria isika rehetra dia mpiasa nomena andraikitra hiantsorohana. Nomena arakaraka ny fahaiza-manao ananantsika amin'ny fampiasana azy ny fanomezana samy hafa, nefa tsy tokony hampiasaintsika ho fanomezana fahafaham-po ny faniriana feno fitiavan-tena sy hanaraka ny fitakian'ny fironan'ny fontsika ny fananan'Andriamanitra.

Imbetsaka ny anadahy no tsy nahomby teo amin'ny fitantanana ny fananan'Andriamanitra ary tsy nodinihiny mandrakariva raha toa nampiasainy araka ny sitrapon'ny Tompony sy ho fampandrosoana ny asan'ny fahamarinana ny vola nankinina taminy. Tsy maintsy ampamoahina ny amin'izay fomba nampiasany ireo fananana nankinina taminy izy. Tsy azony atao ny mandeha araka ny sitrapony ao anatin'izany toe-javatra izany, tsy maintsy mangataka fahendrena avy amin'Andriamanitra izy. - Testimonies on Sexual Behavior, Adultery and Divorce, U. 70, 71. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal