Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Misoloa tena an'i Kristy amin’ny toe-javatra rehetra.

Daty
Zoma 27 June 2025

  "Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin'ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy." - Rôm. 12:3.

Mofon’aina:
Raha madio sy tsy misy fitiavan-tena ny hery manosika anao hanao zavatra iray, raha toa ianao maniry hanao ny asa tokony hatao sy haneho fahalianana feno halemem-panahy ary koa maniry hanao asa feno fanajana ny hafa, dia efa manorina ny harenao ianao amin'izany na dia tsy tsapanao aza izany. Amin'izany no anehoanao ny toetran'i Kristy ao an-tokantrano, any am-piangonana ary eo amin'izao tontolo izao. Izany no asa iantsoan'ny Tompo antsika. (...)

 Na dia alaim-panahy aza ianao, dia aza mamitaka na koa miala amin'ny fahamarinana na dia amin-javatra bitika indrindra aza. Misy fotoana misy fironana maha-olombelona maka fanahy mba hampiala amin'ny lala-mahitsin'ny fahatokiana, nefa aza miova na dia tahaka ny singam-bolo aza. Raha toa misy fotoana ianao manambara izay zavatra hataonao nefa tsapanao avy eo fa nanome tombony ho an'ny hafa ianao ka ho faty antoka, dia aza miala amin'ny fitsipika fa tanteraho izay efa nekenao.

Raha mitady hanova ny drafitrao ianao dia haneho amin'izany fa tsy azo ianteherana. Ary raha mitakemotra amin'ny raharaham-barotra kely ianao dia hitakemotra koa amin'izay lehibe kokoa. Ao anatin'ny toe-javatra tahaka izany, dia alaim-panahy ny sasany mba hamitakaka hilaza fa tsy takatry ny hafa izay tiany hambara. Tsy izany anefa fa izay tiany hambara tokoa no voalazany saingy veriny ny fihetsehampo tsara tao aminy ka naniry ny hitakemotra tsy hanaja ny fifanekena izy fandrao hahafaty antoka azy izany. Takin'ny Tompo ny hanaovantsika ny marina, ny hitiavantsika famindrampo sy fahamarinana ary fahitsiana. (...)

Tsy manana toetra tsara hentitra izay takina mba hampiorina ny fian-gonana ny lehilahy sy ny vehivavy. Tsy hain'izy ireo ny mamorona fomba fiasa sy drafitra hananana toetra tsara sy tsy azo hozongozonina. (...) Ny fanabeazana toy izany no ilaina (...) fanabeazana hendry sy misy heviny, izay mifandrindra amin'ireo fitsipika ara-Baiboly. - MR, 20: 343, 344. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal