Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Ny asa fitorian’i Noa.

Daty
Alatsinainy 02 June 2025

Mampahatsiahy antsika i Petera fa maro no tsy ho vonona ho amin'ny fiverenan'i Kristy satria "minia jamba" sy manadino izay nitranga tamin'ny Safodrano (2 Pet. 3:5). Ankehitriny, na voatahiry ao an-tsain'izao tontolo izao aza ny amin'ny fisian'ny Safodrano iray lehibe (mahagaga fa tantaraina ao amin'ny kolontsaina maro maneran-tany ny amin'ny Safodrano iray izay nandravarava, manomboka amin'ireo Grika fahiny ka hatramin'ireo Maya), dia anisan'ny esoina indrindra amin'ireo tantara ao amin'ny Baiboly ny tantaran'i Noa. Araka ny efa nambara mialoha dia minia mandă ny tantara izao tontolo izao ka manao izany ho angano, na dia efa voasoritra mazava ao amin'ny TT aza izany, ary resahina ombieny ombieny ao amin'ny TV.

Nilaza i Jesôsy ao amin'ny Mat. 24:37-39 fa ho tahaka ny tamin'ny "androni Noa" ny toe-javatra hiseho eto amin'izao tontolo izao. Ampitahao amin'izay voalaza ao amin'ny Gen. 6:1-8 Izany. Nanao ahoana ny fitondran-tenan'ny olona, izay nitarika ho amin'ny Safodrano?

Rehefa dinihina tsara dia misy lesona iray hafa manan-danja ho an'ny vahoakan Andriamanitra amin'ny andro farany. Voalaza ao amin'ny Heb. 11:7 fa mba "hamonjena ny ankohonany", "no nanamboaran'i Noa sambo-fiara (...); koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana."

Eritrereto hoe nitory nandritra ny zato taona mahery ianao nefa tsy nisy vokany fa ny ankohonanao ihany no tafiditra tao anaty sambofiara. Raha mpitory ny filazantsara amin'izao vanim-potoanantsika izao i Noa dia mety holazaintsika fa tsy nahomby izy: am-polo taona maro nitoriana teny kanefa toa tsy nisy vokany.

Soa ihany fa ankehitriny, faritra maro eto amin'izao tontolo izao no mandray tsara ireo hafatry ny anjely telo, ary maro no manjary mahafantatra ny Tompo. Mbola misy vokany hatrany aloha ny asantsika hatreto, na dia nambara tamintsika aza fa efa "hifarana ny androm-pahasoavana ka hikatona ny varavaram-pamindrampo. Ilay fehezan-teny fohy hoe: 'ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana', izany no mitondra antsika mamakivaky eo amin'ny asa fanompoana farany ataon'ny Mpamonjy, ka tafahatra hatramin'ny fotoana izay hahatanteraka ny asa lehibe famonjena ny olona." - HM, t. 442.

Mandra-pahatonga izany fotoana izany dia manana asa atao isika amin'ny maha-fiangonana antsika.

Ahoana no ahaizantsika miatrika ny tsy fahombiazantsika, raha toa mitranga izany, mba tsy hahakivy antsika? Nahoana no tsy maintsy manohy miasa hatrany isika? (Jereo ny Jao. 4:37)

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal