Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 06 June 2025

Tsy afaka niaro ny tenany na ny vahoakany tamin'ny fiampangan'i Satana ilay mpisoronabe. Tsy afaka nihambo an'Isiraely ho tsy manan-tsiny koa izy. Nitafy lamba maloto, izay tandindon'ny fahotan'ny vahoaka iadidiany i Josoa, Ilay nisolo tena azy, ary nitsangana teo anoloan'ny anjely. Niaiky ny fahotany rehetra izy raha nanambara ny fibebahana sy ny fanetren-tena nataon'ireo niavian'ny ota. Ary nanankina izany tamin'llay Mpanavotra namela heloka izy sady nangataka tamim-pinoana ny teny fikasan'Andriamanitra. (...)

"Ireo fiampangana ataon'i Satana amin'izay mitady ny Mpamornjy indray, dia tsy avy amin'ny fankahalany ny fahotana akory. Fa vao mainka mahafaly azy ireo kileman-toetra ananan'ny Kristianina, satria fantany fa ny fandikana ny didin'Andriamanitra ihany no ahazoany toky hanamparany ny fahefany rehetra amin'izy ireo. Ny fankahalany ny Mpamonjy ihany no Rangory fototry ny afo amin'ireo fiampangana ataony. Foanan'i Jesosy amin'ny alalan'ny planin'ny famonjena anefa ny fangejan'i Satana eo amin'ny fianakaviana olombelona, ka manafaka azy amin'ny heriny Izy. (...)

"Tsy azon'ny olombelona atao ny hahatohitra ireo fiampangana ataon'ilay fahavalo amin'ny alalan'ny herin'ny tenany. Miaiky ny fahotany eo anatrehan'Andriamanitra izy amin'ny fitondrana izato akanjo maloto. Koa, Jesosy, Ilay mpisolovava antsika, no miady amin'ny fomba mahomby ho azy amin'izay. Miaro azy izy, ary noho ny amin'ny fanatitra teo Kalvary, dia maharesy ilay mpiampanga izy. Ny fankatoavany tanteraka ny lalan'Andriamanitra no nahazoany ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany, ary mitaraina amin'ny Rainy Izy mba hanomezany ny famindrampony amin'ny mpanota sy mba hampihavanana azy Aminy indray." - MM, tt. 474-477.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Nilaza tamin'ny mplanany i Jesosy fa eto amin'izao tontolo izao izy ireo, kanefa tsy naman'izao tontolo izao (jereo ny Jao. 15:19; Jao. 17:14-16). Manana adidy hamonjy izao tontolo izao isika kanefa mila miaro ny tenantsika koa mba "tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao" - Jak. 1:27; ahoana no ahaizantsika mandanjalanja izany?

2. Nanao asa fitoriana i Noa mialoha ny Safodrano. Inona no ampianarin'io tantara io antsika mikasika ny zava-miseho ao anatin'llay fifanandrinana lehibe? Amin'ny fomba ahoana no anaovantsika asa mitovy amin'izany koa ankehitriny?

3. Mialoha ny handevonan'Andriamanitra ny ratsy fanahy amin'ny afo avy any an-danitra (tahaka ny nataony tamin'i Sódóma), dia atsangany amin'ny maty aloha izy ireo, ary avelany hiasan'i Satana mandritra ny fotoana fohy (Apok. 20:7-9). Araka ny hevitrao, nahoana no ilaina io dingana farany io mialoha ny hamerenan Andriamanitra ny zavatra rehetra amin'ny laoniny?

4. Eo am-pieritreretanao ireo tantara nodinihintsika tamin'ity herinandro ity, inona ireo fampitandremana raisinao ho an'ny fiainanao manokana? Inona no ampianarin'ireo tantara ireo anao momba ny fanantenana ao amin'i Kristy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sun 20 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Jehôvah sa ireo andriamani-kafa?
Mon 21 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?
Tue 22 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.
Wed 23 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Lalitra, biby fiompy ary vay.
Thu 24 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.
Fri 25 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal