Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aoka tsy hanala baraka Azy amin’ny fandikana ny fitsipika marina.

Daty
Alahady 29 June 2025

"Toy izany no iafaran’izay rehetra fatra-pila harena; fa hipaoka ny ain’izay fatra-pila azy izany." Ohab. 1:19. 

Nomena asa ny olona tsirairay. Samy manan-toerana ao amin’ny drafitra mandrakizain’ny lanitra ny tsirairay. (...) Madio, mangatsakatsaka sy manana tombambidy lehibe ny fahamarinana ary tokony hampiasaina ho amin’ny fanorenan-toetra. Ireo izay manana ny fahamarinana sy manana fitiavana izany ao am-pony, dia hanao ny fandavan-tena rehetra ilaina mba hahatonga izany fahamarinana izany hanana ny toerana voalohany eo amin’ny zavatra rehetra. (...)

Misy ireo manan-kolazaina betsaka ao am-piangonana mikasika ny fivavahana kristianina nefa tokony hitandrina mandrakariva isika eo anatrehan’izy ireny satria manilika ny Tenin’Andriamanitra izy eo amin’ny raharaham-barotra ataony. Tsy eo anilany Andriamanitra rehefa ny fivarotana sy ny fividianana no resahina. Eo amin’ny faritaniny ny fahavalo ary mambabo ny fony. Atolony ho sorona eo amin’ny alitaran’ny fieremana ny firahalahiana kristianina sy ny fitiavana. Voafafa ao am-pony ny momba an’Andriamanitra sy ny lanitra ary ny lalàn’i Jehovah sy ny fitsipiny izay averimberina matetika. (...) Mivarotra ny fanahiny hahazoana tombony tsy ara-dalàna izy. Matevina loatra ny voaly manarona ny masony ka tsy mahita afa-tsy tombony azo amin’ny hosoka izy. (...) Voahaisotra tsy ao am-pony ny fahamasinana sy ny fahamarinan’Andriamanitra.

Moa ve ny vahoakan’Andriamanitra handà izany hery miasa mangina manimba izany? Hatolotr’izy ireo an’Andriamanitra ve ny fony? Moa ve izy ireo haneho famindrampo amin’ny namany? Moa ve hazonin’ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito ao an-tsainy fa tsy azony atao ny miala amin’ny fahamarinana eo amin’ny fifampiraharahany amin’ny namany, ary tsaroany ve fa mahafoy an’Andriamanitra izy rehefa mandika ny fahamarinana na koa miala amin’ny fahitsiana? Tsy hitondra soa ho anao na oviana na oviana izay rehetra manala baraka an’Andriamanitra. Izay manantena ny hahomby amin’ny fandikana ireo fitsipika mandrakizain’ny fahamarinana dia mihary ho an’ny tenany vokatra izay tsy azony hojinjaina. Mametraka ny tenany eo amin’ny laharan’ny fahavalo izy ireo ary miantso faharavana ho an’ny tenany. Mety misy fotoana toa aharetan’ny fahombiazany, saingy tsy mba ho isan’ny ankohonan’Andriamanitra na oviana na oviana izy. – SeT 2:133,134.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal