Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manohana ny asan’Andriamanitra ny mpitantana mahatoky.

Daty
Alatsinainy 30 June 2025

 " Izaho Jehôvah efa niantso Anao tamin'ny fahamarinana sy nitantana ny tananao, ary hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an'ny olona, ho fanazavana ny jentilisa. " Isa. 42:6.

Mofon’aina:
Naseho ahy fa ny olona sasany izay marani-tsaina sy mitsinjo lavitra ary kinga eo amin’ny fandraharahana ankapobeny, ireo izay miavaka noho ny fahakingana sy ny fahamatorana, dia tsy ampy fitsinjovana mialoha sy fahiratan-tsaina raha ny mahakasika ny fitantanana ny fananany amin’ny fahavelomany. Tsy fantany ny fotoana mety hikatonan’ny androm- pahasoavany tsy ho ela; nefa mamakivaky ny taona mifandimby tsy amim-piheverana momba ny raharahany izy, ary matetika no tapitra ny androny nefa tsy nampiasainy tamim-pahendrena. Mety ho faty tampoka koa izy ireo nefa tsy nahazo fampitandremana (...). Meloka noho ny fanaovana tsirambina ireny mpitantam-pananana tsy mahatoky ireny.

Tokony haneho fahendrena sy fahaiza- mitsinjo lavitra ny Kristianina mino ny fahamarinana ankehitriny. Tsy tokony hanao tsirambina ny fitsinjarana ny fananany izy ireo ka hiandry ny fotoana heveriny fa mety vao handamina ny raharahany raha sanatria izy tratry ny aretina maharitra. (...)

Fianakaviana maro no voaroba fananana ary koa nanjary nahantra noho ny fanaovany an-tsirambina ny asa izay tokony ho nataony tsara tao anatin’ny ora iray. Ireo izay manao didim-pananana dia tsy tokony hikely aina na haneho fahihirana mba hahazoana torohevitry ny mpahay lalàna ary koa mba hanoratana izany amin’ny fomba izay hampitoetra tsara azy na dia mandeha aza ny fotoana.

(...) Nataon’Andriamanitra mpitantana ny fananany ny lehilahy sy ny vehivavy. Napetrany eo an-tanan’izy ireo ny vola natao hampandrosoana ny asa lehibe famonjem-panahy, izay antony nandaozan’i Kristy ny fonenany, ny hareny, ny voninahiny, (...) mba hitondrana ny zanakalahy sy zanakavavy maroben’i Adama ho eo amin’Andriamanitra.

Ny fitondran’ny Tompo no nahatonga Azy hanome baiko mba hanohanana ny asa ao amin’ny tanimboalobony amin’ny alalan’ireo fananana nankininy tamin’ny mpitantana ny fananany. Maneho ny tsy fahatokian’izy ireo sy ny maha-mpanompo malaina azy ny tsirambina kely ataony ho setrin’ny antson’Andriamanitra mba hampandrosoana ny Asany. – TFC, b. 3; tt. 116, 117.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Jun 2025
Lesona 1 : FAMPAHORIANA: NY TONTOLON-KEVITRA SY NY FAHATERAHAN’I MOSESY - Fampidirana.
Sat 28 Jun 2025
TELOVOLANA 3: EKSODOSY- DIA MANKANY AMIN’ILAY TANY NAMPANANTENAINA.
Sun 29 Jun 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Vahoakan’Andriamanitra tao Egypta.
Mon 30 Jun 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ny tontolon-kevitra ara-tantara.
Tue 01 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ireo mpampivelona Hebreo.
Wed 02 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Teraka i Mosesy.
Thu 03 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Miova ny drafitra.
Fri 04 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.
Sat 28 Jun 2025
Lesona 1 : FAMPAHORIANA: NY TONTOLON-KEVITRA SY NY FAHATERAHAN’I MOSESY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (10)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal