Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Raiso ny fahazavana ka mandehana aminy.

Daty
Talata 22 July 2025

 "Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra." —Mat. 5:14.

Mofon’aina:
Misy zavatra iray izay tena ifantohan'ny sain' i Kristy indrindra eto amin'izao tontolo izao. Tsy inona izany fa ny fiangonany eto an-tany satria ny mambra ao aminy dia tokony haneho Azy eo amin'ny toetra amam-panahiny. Izao tontolo izao dia natao hiaiky fa ao amin'ny fivavahana Kristianina no misy ny fahamarinana masina, izay mirakitra haren-tsarobidy natao hampanan-karena ny hafa. Tao anatin'ireo vanim-potoan'ny aizina sy ny fahadisoan-kevitra ara-pitondrantena, nandritra ireo taonjaton'ny fifandonana sy ny fanenjehana, ny fiangonan' i Kristy dia toy ny tanàna niorina teo an-tampon-tendrombohitra. Hatramin' izay ka hatramin' izao, dia naseho tamin'ireo taranaka nifandimby ny foto-pampianarana madio raketin'ny Baiboly.

Mila miara-miasa amin'ny fiangonana any an-danitra anefa ny fiangonana eto an-tany, mba hahatonga azy hahomby amin'ny fanabeazana eto amin'izao tontolo izao. Mila manokatra ny fony ny mambra ao amin'ny fiangonana mba handraisana ny tara-pahazavana rehetra tian'Andriamanitra halefa. Misy fahazavana tian' Andriamanitra homena antsika araka ny fahafahantsika mandray izany, ka arakaraka ny handraisantsika no vao mainka hahazoantsika bebe kokoa hatrany amin'ny taratr’ Ilay fahamarinana (...)

Mbola ao anatin'ny fotoam-pahasoavana isika tsirairay, ao amin'ny sekoly iza hitakiana antsika ho tonga mpianatra mazoto tokoa. Ampirisihina isika handeha amin'ny mazava, tahaka ny nandehanan'i Kristy tao amin'ny mazava. Amin' izany no ianarantsika ny momba an'Andriamanitra, ary izao ny " fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesôsy Kristy, Izay efa nirahinao." — Jao.17:3.  Ireo no tenin'Ilay niaraka tamin'ny Ray fony tsy mbola ary izao tontolo izao, raha nivavaka ho an'ireo izay hino an'Andriamanitra noh ny tenin'ny mpianany Izy. Ny fahalalana an'Andriamanitra eo amin'ny asany no tena siansa marina. Andeha hitombo fahalalana ny Tompo isika mandra-paharesy lahatra antsika fa mahatoky toy ny maraina ny fidirany an-tsehatra eo amin'ny fiainantsika. (...) 

Fanahy mahatoky maro no mandrafitra ny fiangonan' Andriamanitra eto an-tany, ary efa nampidiriny ho ao amin'ny fifandraisam-panekena aminy ireo tamin'ny fampiraisina ny fiangonana eto an-tany amin'ny fiangonany any an-danitra. Efa naniraka ny anjeliny masina Izy mba hanompo ny fiangonany, ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy. MR, b.2, tt. 265,266. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal