Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manokàna fotoana hivavahana sy handinihana ny Teny.

Daty
Talata 29 July 2025

 "Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin'ny tsilo; dia ireo no ilay nandre ny teny, fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filana ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy." — Mar. 4:18,19.

Mofon’aina:
Lazain'i Kristy manokana ny zavatra mampidi-doza ny fanahy. Araka ny voalazan' i Marka dia nofaritany "ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filana ny zavatra hafa". (...) Ireo no mangeja ny teny sy ny fitomboan'ny voa ara-panahy. (...) 

Tsy misy antokon'olona afaka amin'ny fakam-panahy mikasika ity fiahiahiana momba izao fiainana izao ity. Ho an'ny mahantra, dia ny asa mafy sy ny tsy fahampiana ary ny tahotra ny fahantrana no mitondra fahasahiranan-tsaina sy enta-mavesatra. Ho an'ny manan-karena dia tonga ny tahotra ny ho very fananana sy ahiahy feno tebiteby isan-karazany. Betsaka amin'ny mpanaraka an'i Kristy no manadino ny lesona nibaikoany antsika hianarana ny amin'ny voninkazo eny an-tsaha. Tsy matoky ny fikarakarany mandrakariva izy ireo. (...)

Maro amin'ireo izay mety hanam-bokatra eo amin 'ny fanompoana an'Andriamanitra no miforitra eo amin'ny fitadiavan-karena (...). Tsy maintsy miasa ny Kristianina, tsy maintsy mandray anjara amin'ny asa aman-draharaha, ary afaka hanao izany izy nefa tsy hanota. Nefa betsaka no variana loatra amin'ny asa aman-draharaha ka tsy manana fotoana hivavahana, tsy manana fotoana ianarana ny Baiboly, tsy manam-potoana hitadiavana sy hanompoana an'Andriamanitra. Indraindray manina ny fahamasinan'ny lanitra ny fanahy; nefa tsy misy fotoana ialana amin'ny horakorak'izao tontolo izao mba hihainoana ny filazana miezinezina sy feno fahefana avy amin'ny Fanahin'Andriamanitra. (...) Tsy azon'ny voan'ny teny atao ny mamokatra; satria ny ain'ny fanahy dia voagejan'ny tsilon'ny toetra araka izao tontolo izao. 

Ary betsaka ireo izay miasa ho an'ny hafa, no latsaka amin'ny fahadisoana toy izany. Miasa ho an'ny hafa izy; mitambesatra ny adidiny, maro ny andraikiny ka avelany atao an-tsirambina ny firaisana amin' Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka sy ny fianarana ny teniny. (...) Misara-dalana amin'i Kristy izy, tsy vonton'ny fahasoavan'ny Tompo ny fiainany ka miseho ireo toetra manokana mampiavaka ny fitiavan-tena. — HF, tt. 38,40. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal