Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Diniho ny Tenin'i Kristy fa tsy ny hevitr'olombelona.

Daty
Alarobia 30 July 2025

"Fa ny lalàna dia nomena tamin'ny alalan'i Mosesy; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin' ny alalan'i Jesôsy Kristy." Jao. 1:17.

Mofon’aina:
I Jesôsy no fahazavan'izao tontolo izao. Niala avy teo amin'Andriamanitra Izy mba hitondra hafa-panantenana sy famonjena ho an'ny taranak'i Adama lavo. Raha mandray Azy ho Mpamonjy ny tenany manokana ny lehilahy sy ny vehivavy, dia manome toky Izy fa hamerina azy ho araka ny endrik'Andriamanitra ary hanavotra izay rehetra very tamin'ny alalan'ny fahotana. Nasehony tamin'ny taranak'olombelona ny fahamarinana tsy misy pentina. Rehefa nampianatra Izy, dia fahefana no nanaraka ny teniny satria fahalalana tsara ny fahamarinana no nolazainy. 

Samy hafa tanteraka amin'ny fampia-naran'i Kristy ny fampianaran'ny olom-belona mety maty. (...) Mikiribiby amin'ny foto-kevi-diso sy ny hevi-poana tanany ny olombelona. Hifikitra mafy amin'ny fomba amam-panaon'olombelona izy ka hiaro izany amin-kery toy ny hoe izany no fahamarinana. Nambaran'i Jesosy fa izay rehetra avy amin'ny fahamarinana no handre ny feony.

Hery lehibe toy inona no miandry ny fitoriana ny Teny amin'izao andro izao raha mba tsy mihazona ny petra-kevitr'olombelona ny mpiasa fa mitoky kosa amin'ny lesona nomen'i Kristy sy ny fampiharana ny fivavahana. Izy izay tao amin'ny filan-kevitr 'Andriamanitra sady efa nitoetra tao amin'ny fanatrehany, dia mahafantatra tsara ny fiandohan'ny singa rehetra mandrafitra ny fahamarinana ary mahatakatra ny fifandraisany sy ny lanjany amin'ny taranak'olombelona. Nasehony tamin'ny taranak'olombelona ny drafi-panavotana ary novelariny teo anatrehany ny fahamarinana amin'ny laharany ambony indrindra (...)

 Ny patriarika sy ny mpaminany ary ny apôstôly dia niteny toy ny nampirisihin'ny Fanahy Masina avokoa, tsy tamin'ny herin'ny tenany na tamin'ny anarany ny fanambarana mazava nataony. Fanirian'izy ireo raha tsy tolorana fankasitrahana noho izany izy ka heverina toy ny hoe izy ireo no niandohan'izay rehetra mety hahazoany voninahitra. Saro-piaro tamin'ny vonina-hitr'Andriamanitra izay tompon'ny fiderana rehetra izy ireo. Nambarany fa ny fahaizany sy ny hafatra nentiny dia nomena azy ho mpampita ny herin'Andriamanitra. Andriamanitra no fahefany sy fahampiana ho azy (...)

 I Kristy no Tompon'ny fahamarinana rehetra. Ny foto-kevitra feno fahaizana, ny eritreritra feno fahendrena, ny fahaiza-manao sy ny talenta rehetra ananan'ny olombelona, dia fanomezana avy amin'i Kristy avokoa. Tsy nindrana foto-kevi-dehibe tamin'ny taranak'olombelona Izy fa Izy mihitsy no niandohan'ny zavatra rehetra. — RH, 7 Janoary 1890. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny
Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal