Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Diniho ny Tenin'i Kristy fa tsy ny hevitr'olombelona.

Daty
Alarobia 30 July 2025

"Fa ny lalàna dia nomena tamin'ny alalan'i Mosesy; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin' ny alalan'i Jesôsy Kristy." Jao. 1:17.

Mofon’aina:
I Jesôsy no fahazavan'izao tontolo izao. Niala avy teo amin'Andriamanitra Izy mba hitondra hafa-panantenana sy famonjena ho an'ny taranak'i Adama lavo. Raha mandray Azy ho Mpamonjy ny tenany manokana ny lehilahy sy ny vehivavy, dia manome toky Izy fa hamerina azy ho araka ny endrik'Andriamanitra ary hanavotra izay rehetra very tamin'ny alalan'ny fahotana. Nasehony tamin'ny taranak'olombelona ny fahamarinana tsy misy pentina. Rehefa nampianatra Izy, dia fahefana no nanaraka ny teniny satria fahalalana tsara ny fahamarinana no nolazainy. 

Samy hafa tanteraka amin'ny fampia-naran'i Kristy ny fampianaran'ny olom-belona mety maty. (...) Mikiribiby amin'ny foto-kevi-diso sy ny hevi-poana tanany ny olombelona. Hifikitra mafy amin'ny fomba amam-panaon'olombelona izy ka hiaro izany amin-kery toy ny hoe izany no fahamarinana. Nambaran'i Jesosy fa izay rehetra avy amin'ny fahamarinana no handre ny feony.

Hery lehibe toy inona no miandry ny fitoriana ny Teny amin'izao andro izao raha mba tsy mihazona ny petra-kevitr'olombelona ny mpiasa fa mitoky kosa amin'ny lesona nomen'i Kristy sy ny fampiharana ny fivavahana. Izy izay tao amin'ny filan-kevitr 'Andriamanitra sady efa nitoetra tao amin'ny fanatrehany, dia mahafantatra tsara ny fiandohan'ny singa rehetra mandrafitra ny fahamarinana ary mahatakatra ny fifandraisany sy ny lanjany amin'ny taranak'olombelona. Nasehony tamin'ny taranak'olombelona ny drafi-panavotana ary novelariny teo anatrehany ny fahamarinana amin'ny laharany ambony indrindra (...)

 Ny patriarika sy ny mpaminany ary ny apôstôly dia niteny toy ny nampirisihin'ny Fanahy Masina avokoa, tsy tamin'ny herin'ny tenany na tamin'ny anarany ny fanambarana mazava nataony. Fanirian'izy ireo raha tsy tolorana fankasitrahana noho izany izy ka heverina toy ny hoe izy ireo no niandohan'izay rehetra mety hahazoany voninahitra. Saro-piaro tamin'ny vonina-hitr'Andriamanitra izay tompon'ny fiderana rehetra izy ireo. Nambarany fa ny fahaizany sy ny hafatra nentiny dia nomena azy ho mpampita ny herin'Andriamanitra. Andriamanitra no fahefany sy fahampiana ho azy (...)

 I Kristy no Tompon'ny fahamarinana rehetra. Ny foto-kevitra feno fahaizana, ny eritreritra feno fahendrena, ny fahaiza-manao sy ny talenta rehetra ananan'ny olombelona, dia fanomezana avy amin'i Kristy avokoa. Tsy nindrana foto-kevi-dehibe tamin'ny taranak'olombelona Izy fa Izy mihitsy no niandohan'ny zavatra rehetra. — RH, 7 Janoary 1890. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal