Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hamokatra be ho an'ny mpiasa mazoto ny tany.

Daty
Talata 05 August 2025

 "Ary hamoa ny hazo any an-tsaha, sady hahavokatra ny tany, ary handry fahizay amin'ny tany izy; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehôvah , raha hotapahiko ny ziogany, ary hovonjeko amin'ny tànan'izay nampanompo azy izy." — Ezek. 34:27.

Mofon’aina:
Ilana fahalalana mivelatra kokoa ny momba ny fanomanana ny tany. Tsy ampy fivelarana ny fomba fijery ny amin'izay azo atao amin'ny tany. Fahazarana tsy mivelatra sy tsy manam-piovana no arahina ka mahakivy ny vokatra entiny. — FCE, t. 317. (...) 

Ilana fahaiza-manao feno fahalalana sy nohatsaraina ny famolavolana ny fomba fiasa amin'ny fambolena, amin'ny fanorenan-trano, ary amin'ny sehatra hafa, mba tsy hahatonga ny mpiasa hiasa nefa tsy hahazo vokatra. (...) Andriamanitra, izay namorona izao tontolo izao ho tombontsoan'ny olombelona no hanome ny fitaovana ilaina avy amin'ny tany hanohanana ny mpiasa mazoto.

 Hitondra vokatra ny voa novolena tao amin'ny tany voaomana tsara. Afaka mamelatra latabatra ho an'ny olony . any an-tany efitra Andriamanitra. (…) Betsaka no malahelo vokatry ny tsy famokaran'ny tany, nefa raha vakin'ny olona ny Soratra Masin'ny Testamenta Taloha, dia ho hitany ao fa nahalala kokoa ny amin'ny fikarakarana ny tany araka ny tokony ho izy mihoatra noho izy ireo Andriamanitra. Rehefa nasaina nandritra ny taona maro sy nanome ny hareny ho an'ny olombelona ny ampahan-tany maro, dia tokony havela hiala sasatra, ary tokony hovana koa ny voly. (...)

 Misy harena miafina ao amin'ny tany, ary ny Tompo dia manana olona an'arivony maro tokony hiasa ny tany izay mitangorona any an-drenivohitra hikatsaka zava-poana. (...)

 Nijery izay noforoniny rehetra Andriamanitra tany am-piandohana, ary niteny fa tsara indrindra izany. Tonga tamin'ny tany anefa ny ozona vokatry ny fahotana. Mbola hitombo vokatry ny fitomboan'ny fahotana ve izany ozona izany? Manao ny asa ratsiny ny tsy fahalalana. Mampitombo ny faharatsiana amin'ny alalan'ny fahazarana feno fahalainana ny mpanompo kamo. (...) Manana fitahiana miafina any amin'ny lalina anefa ny tany ho an'ireo izay manana herin-tsaina sy sitrapo ary faharetana mba hanangona ny harembe ao aminy. — FCE, tt. 315-327. (...)

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal