Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitondra hafa-panantenana sy fampaherezana ny zavaboary

Daty
Alarobia 13 August 2025

 "Mampandeha loharano eny amin'ny lohasaha Izy; eny anelanelan'ny tendrombohitra no alehan'ireny, ka isotroan'ny bibi-dia rehetra, sy analan'ny boriki-dia ny hetahetany." — Sal. 104:10,11.

Mofon’aina:
Ny zavaboary sy ny fanambarana avy any ambony, dia samy mampiseho ny fitiavan'Andriamanitra ny olona. Ny Raintsika any an-danitra no loharanon'ny fiainana sy ny fahendrena ary ny fifaliana. Jereo ange ireo zava-mahagaga sy tsara tarehy amin'ny zavaboary e! Eritrereto ange izao fanamboarana azy mahatalanjona, ka tonga amin' izay ilana azy indrindra sy izay hampiadana, tsy ny olona ihany, fa ny zava-manana aina rehetra koa. Ny hainandro sy ny ranonorana, izay maharavoravo sy manavao ny tany; ny tendrombohitra sy ny ranomasina ary ny tany lemaka; ireny rehetra ireny dia samy milaza amintsika ny fitiavan'ny Mpamorona. (...)

(...) Efa nataon'Andriamanitra masina sy tanteraka ny olona tamin'ny voalohany. Ary fony vao nivoaka teo am-pelatanan'Ilay Nahary ny tanintsika, dia tsara tsy nisy kilema, ka tsy nahitana na dia aloky ny fanozonana kely akory aza. Fa ny fandikana ny lalàn'Andriamanitra -dia ny lalàn'ny fitiavana - no nitondra loza sy fahafatesana. 

Kanefa na dia ao amin'ny fijaliana vokatry ny fahotana aza, dia mbola miseho ihany ny fitiavan'Andriamanitra. Voasoratra fa nozonin'Andriamanitra ny tany noho ny nataon'ny olona. Ny tsilo sy hery, izany hoe fahasahiranana sy fahoriana izay mahatonga ny fiainantsika ho feno fanahiana sy asa mahareraka, dia voatendry hahasoa antsika, ho isan'ny fanamboarana ilaina amin'ny fikasan'Andriamanitra hampisondrotra antsika avy amin'ny faharavana (...) vokatry ny fahotana. 

Izao tontolo izao, na dia efa simba aza, dia tsy alahelo sy fahoriana avokoa tsy akory (...). Misy fampanantenana sy fampiononana eo amin'ny tenan'ny zavaboary. Fa misy voninkazo eny amin'ny hery, ary ny tsilo dia rakotry ny vonin-draozy. 

"Andriamanitra fitiavana" no voasoratra eny amin'ny tsiry vao mivelatra sy eny amin'ny ahitra vao mitsimoka. Ny vorona maha-te ho tia izay mampiravoravo ny habakabaka amin'ny hirany mahafinaritra, ny voninkazo misoratsoratra izay mandefa ny fofony manitra mamerovero eny amin'ny rivotra, ny hazo mijoalajoala ao an'ala izay miravaka ny raviny maitso mavana —Ireny rehetra ireny dia mitory ny fitiavana fatratra sy ny fitandremana ambony indrindra ataon'Andriamanitra ary ny faniriany hahasambatra ny zanany. — DHK, tt. 6-8. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal